Vaovao nahoraka, omaly ny mahakasika ny fitantanana ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe indianina. Andaniny, manamafy ny frantsay fa misy tokoa ilay fehin-kevitry ny Firenena mikambana mahakasika ny Nosy malagasy manodidina na ny “Iles éparses”. Ankilany, tsy manaiky ny hamerina izany ho an’i Madagasikara kosa anefa izy. Ny fiaraha-mitantana no […]
Indraimbava
Miara-miasa
Mahoraka eto an-tanàna ny fahatongavan’ny vahiny marobe eto Madagasikara. Samy somebiseby ny olon-drehetra na ny faly na ny tsy faly. Anisan’ny miteraka ady hevitra sy mampizarazara ny vahoaka malagasy ny fitsidihan’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron. Misy filohan’ny Repoblika sy filoham-panjakana miisa dimy tonga eto an-tanàna fa dia izy irery […]
Tonga vahiny!
Madio ny tanàna amin’izao? Milamina, tsy misy tabataba … Mahate honina fa tsy hoe lalovana fotsiny. Handray vahiny! Zava-dehibe eo amin’ny lafiny politika, toekarena, sosialy… Eny, na ny mampiavaka ny Malagasy amin’ny fandraisana vahiny ihany aza, tsy azo atao ambanin-javatra na ambin-javatra. Izay no nihetsehana sy nifanomezan-tanana. Vidin-kaja, vidim-bonahitra. […]
Mpandresy
Raha amin’ny finoana kristianina dia miditra anatin’ny vanim-potoan’ny fandresena miezinezina isika zanak’olombelona, manomboka anio. Hanamarika ny fitsanganan’ilay Kristy velona amin’ny alalan’ny fetin’ny Paka na Paska ny mpino maneran-tany. Raha ho an’ny eto Madagasikara aloha, tena fety miezinezina izany. Mitobaka ny zava-pisotro, tsy tambo isaina ny fety aman-danonana. Anisan’ny fotoana […]
Simba tanteraka
Tena efa tsy mifidy satam-piarahamonina na sokajy, maha lahy na maha vavy, ny fanaovana herisetra, ankehitriny. Ny tena zava-doza, ankoatra ny ratram-po ateraky ny teny, mivadika ho fikasihan-tanana mahery vaika, mihatra aman’aina ny zava-miseho. Zary fomba amam-panaon’ny olona ity mifamono tsy misy antra ity. Moramora ho an’ny sasany ny […]




