Indraimbava

Mifety am-pahamendrehana

Andro vitsy, hanamarika ny fiverenan’i Madagasikara ho mahaleo tena  ny vahoaka malagasy eto an-toerana sy any ampitan-dranomasina. Andro manan-tantara na dia sembanin’ny adilahy politika sy ny resabe momba ny maha-vazaha ireo mpitondra nifandimby teto hatrizay ka mandraka izao. Tsy atao itarina lavabe intsony ny mahakasika izany fa aleo mba samy […]

Miandry lava izao !

Mamita iraka any ivelany ny filohan’ny Repoblika, ankehitriny. Midika izany fa tsy manohintohina ny toerana sy ny andraikitra sahaniny ny resabe miseholany etsy sy eroa. Mazava be, tsy hisy rahateo ny hahakitikitika azy hatramin’izao, satria mbola ao an-damosiny ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana rehetra. Mampiseho firaisan-kina sy firaisan-tsaina rahateo […]

Asara …mantsina !

Andro sisa dia hilanona ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Hiara-hankalaza ny vanin’andro niverenan’ny fahaleovantena ara-politikan’i Madagasikara. Efa serintseriny sy somebiseby aoka izany ny mpikarakara, ankehitriny. Mandeha ny fizarana ny fanasana. Asa, iza avy no nahazo ny anjarany? Iza ihany koa no hanoina ny antso? Iaraha-mahalala fa efa vaky sy tsy misy […]

Mitady ny very

Olana iray goavana lalovan’ny firenena ankehitriny ny fampiharana ny lalàna. Zary ady hevitra sy raisina amin’izay tiana handraisana azy sisa ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Mivoy izay tiany hovoizina sy maha­metimety azy ny tsirairay. Ny tena zava-doza, ireo heverina ho manam-pahaizana momba ny lalàna sy ireo […]

Mihaingo ambony tsikoko !

Amin’ny ankapobeny, nanakoako ery ilay fanokafana indray ilay Rovan’i Madagasikara. Nanohina kely ny fo ny fahitana fa tafarina ilay izy 28 taona aty aoriana. Mirehareha tsy misy toa azy ny fitondram-panjakana fa nahatanteraka Velirano iray hafa. Iza tokoa moa no tsy nahare fa fanamby nataon’ny filohan’ny Repoblika ny fanarenana ny […]