Mahafinaritra izaitsizy ny tanàna amin’izao fotoana, hiandrasana ny fahatongavan’ny vahiny hanatrika ny fihaonamben’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina. Miara-mientana avokoa ny mpikambana amin’ny governemanta. Mandray kifafa hatramin’ny minisitra manadio tanàna. Na misy aza ny fitohanana amin’ny fifamoivoizana dia mba afaka ny fahasorenan’ny maso mijery ny loto sy ny fako. Miverina ny […]
Indraimbava
Fahefana… fahavitana
Ady fahefana no mampifanenjan-dava ny mpanao politika? Mihevitra, ohatra, ny mpanohitra ary mampihevitra ny vahoaka fa raha tsy izy no eo: tsy misy inona mandeha sy ho vanona. Tsy inona izay fahefana izay fa fahavitana izay tokony hatao, tsy maintsy efaina, andrasan’ny vahoaka… Araka izay nampanantenaina ny vahoaka tamin’ny […]
Mila jadona Noho ny fifanarahana dia nidina nivarotra anaty lalana ny mpivarotra amoron-dalana. Mainka hanampy trotraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy hanakorontana misimisy ny tanàna izany. Tsy hidirana lalina ny amin’izay fa ny tokony hilofosana izao dia ny fandresena lahatra ireo mpivarotra mba hanaiky ilay vahaolana maharitra amin’ny tsena voatokana sy […]
Gaboraraka!
Tena mahavarina ny zava-misy eto an-dRenivohitra tao anatin’ny andro vitsivitsy izao. Midingin-drambo, tsy nanaiky raha tsy nahazo rariny ny mpivarotra amoron-dalana. Nahomby ny fanaovan’izy ireo takalonaina ankolaka sy politika ny fitakiana nataony. Ny mpanohitra lamina sy ny mpandala ny gaboraraka indray izao no tompon’ny teny farany. Zary mivoaka miditra, […]
Asa… mahamarin-toerana
Fahamarinan-toerana politika? Lazain’ny mpandinika sasany fa misy sy iainana izany amin’izao. Manana ny maro eny anivon’ny parlemanta, ohatra, ny mpitondra. Eny, hatrany ifotony aza izany, raha jerena ny fifandanjan-kery amin’ireo olom-boafidy eny anivon’ny kaominina. Tsy misy na tsy atahorana ny asa fampandrosoana amin’ izany? Eny, na tsy mitsaha-mitabataba amin’ny […]




