Indraimbava

Tandindomin-doza

Tena mihanoka anaty  fotoam-pahavaratra tanteraka ny eto Madagasikara, ankehitriny. Mijohy ny orana manerana ny  faritra maro eto amin’ny Nosy. Andaniny, ao  ny sahirana sahady amin’ny  ranobe. Mitaintaina amin’ny trano fonenana sao ho lasan’ny rano na mirodana. Tsy ferana ny miara-matory amin’ny maloto izay hatsinkafon’ny rano satria aloan’ny lakandrano  tsentsin’ny fako. […]

Jery todika… ivoho

Amin’ny famaranan-taona na tonon-taona toy izao, fomba ny manao jery todika ny lasa: inona ny tsy vita, ny mila harenina, ny tsara tohizana? Miainga amin’izany ny famaritana sy fanoritsoritana ny hatao sy kendrena amin’ny ho avy. Sao ny eo tsy vita ka be famaritra, na efa nitera-pahavoazana ny teo aloha […]

Noelim-panavaozana

Hankalaza ny fetin’ny noely na ny krismasy ny mponina maneran-tany, manomboka anio misasakalina. Fotoana voatondro fa nahalatsahan’ny tavonin’i Jesoa Kristy tany Betlehema. Ora niantombohan’ny famonjena ny zanak’olombelona, hoy ny mpino izay resy lahatra. Izy ilay tsy notorontoronina tamin’ny nofo fa noforin’ny Fanahy Masina, ilay « mahagaga ». Izay rahateo ankoatra ny fitsanganany […]

Tsy misy fahagagana

Vao miresaka atsimon’ny Nosy dia mby ao an-tsaina ny hanoanana sy ny haintany. Efa mivadika anefa ny rasa ankehitriny. Vao miandoha ny fahavaratra, efa mikija ny orana. Miakatra izaitsizy ny rano, mandrakotra tanàna maro. Manomboka misy ihany koa ny lalana tapaka, toy ny eny amin’ny Lalam-pirenena faha-13. Maro ny fiara […]

Manjelanjelatra !

Mianoka anatin’ny fetin’ny Noely tanteraka isika ankehitriny. Namaky lay ny fankalazana miezinezina ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry. Mananjara samy mananjara ny mponin’ Anta­nanarivo. Tafiditra an-dapa, tsy misy sakana ny saramba­bem-bahoaka. Malalaka ho an’ny besinimaro tanteraka ny five­zi­vezena ao anatin’ny Lapan’Ambohitsorohitra. Vita ravaka tsara tarehy miaraka amin’ny hazavana tsy hita noanoa. Mambabo […]