Asa na noho ny fahantrana lalina, mivadika ny tany aman-danitra. Aleon’ny olona mivaro-panahy ahazoana vola aman-karena. Izay koa angamba no mahatonga ilay firenena maty hasina. Mikororosy sy farahidiny faobe. Tena hoe na ny kely ananana aza izao miharitra sy mihafongana. Tsy hoe ilay mpanao politika loatra no mpanao ampihimba […]
Indraimbava
Finiavana sy fitiavana
16 andro alohan’ny fihaonambe an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina dia mizotra araka ny tokony ho izy ny fikarakarana. Tsy misy ny sakantsakana sy ny olana goavana tsy maintsy sedraina. Efa mipetrapetraka ny zava-drehetra. Samy mitondra ny anjara birikiny ny tomponandraikitra isan’ambaratongany. Hita taratra ny fiarahana mirona sy firaisankinan’ny governemanta. Zava-dehibe […]
Loza hatrany
Natao ihany ny tsy hiteny amin’ity lozam-pifamoivoizana miseholany etsy sy eroa ity. Isan’andro vaky izao, misy hatrany ny maratra na maty. Mihamaro ny kamboty tsy fidiny, na nilaozan-janaka tsy satry. Mijininika ny ra manerana ny tanàna. Sanatrian-dresaka fa tsy asian’ilay olombelona vidiny intsony ilay atao hoe aina. Betsaka amin’ny […]
Mila mijoro
17 andro sisa dia higadona ny fihaonambe an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina, hatao eto Madagasikara. Efa anatin’ny fanomanana tanteraka i Madagasikara, mpampiantrano. Raha ny pitsopitsony mahakasika ny fivoriana, ny fikarakarana ny foto-drafitrasa isan-karazany dia mandeha araka ny tokony ho izy avokoa. Miavaka ny fiaraha-mientan’ny governemanta sy ny mpitondra. Etsy ankilan’izany […]
Habibiana!
Mampihorin-koditra, mampitampim-bava… Tsy inona fa ny tsy fandriampahalemana tato ho ato izay. Vono olona, fanolanana… Efa tena tsy mifaditrovana ny olon-dratsy? Tsy matahotra an’Andriamanitra, tsy mataho-tody… Efa tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy: tsy mihevi-tena ho olona fa biby, tsy mihevitra ny hafa ho olona? Mila handeha […]




