kolon-tsaina

Faribolana Sandratra Betafo: Amboaran-tononkalo « Ankaromiafina »

Misy, miaina ary mampi­aina ny literatiora ny sampan’ ny Faribolana Sandratra ao Betafo Antsirabe. Porofon’ izany, hisy hetsika izay hotontosain’izy ireo ny sabotsy 26 avrily izao, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany, ao amin’ ny CGM Analakely. Antsan-tononkalo toy ny mahazatra, no sady famoahana ny am­boaran-tononkalo « Ankaro­mia­fina » […]

Andrarezin’ny hira malagasy: Hisy ny tsiahy ho an’i Rolland Raelison

Zoma 18 avrily, nanjombona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry tany amin’ny Nosy La Réunion i Rolland Raelison… Ho an’ny eto an-toerana, hisy ny fanomezam-boninahitra ho an’Andriamanitra sy tsiahy ho azy. Hanana endrika roa ny fandaharam-potoana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fahatsiarovana an’i Rolland Rae­lison, andrarezin’ny hira mala­gasy, nodimandry tany Tam­pon […]

Lazam-balala no betsaka: Kolontsaina tsy hita hantenaina ?

Midadasika i Madagasikara. Manana kolontsaina maro. Ao ireo tazana ny vokatra hoen­tiny. Tsy vitsy ireo tafajanona eo amin’ny endrika ivelany fotsiny. Hatramin’izao, mbola farahidiny ny Malagasy. Tsy mandray anjara amin’ny fiainany ireo kolontsaina ambara fa harenany ? Manan-karena kolontsaina, hono, ny Malagasy ! Kara­zan-kira sy dihy maro, hono, no hita […]

TARATRY ny KANTO

Fotoana fanararaotana izao ! Mandray vahiny maro i Madagasikara. Tsy resaka « avo lenta » ho an’ny politika sy ny toekarena ihany no mila aseho azy ireny fa ny kolontsaina sy ny zavakanto ihany koa. Efa tsy dia tsara laza loatra rahateo ny politika sy ny toekarena raha ho an’i Madagasikara manokana. Mila […]

International Jazz Day: Tafaraka ny samy andrarezina

Tahaka ny isan-taona. Ha­namarika ny «International Jazz Day» i Madagasikara. Hetsika karakarain’ny Mada­jazzcar miaraka amin’ny Fara West ary ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco. Amin’ity taona ity, ho tafaraka ny samy andrarezin’ny mozika jazz. Fampi­se­hoana hotanterahina ny alarobia 30 avrily izao, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany ao amin’ny Fara […]