Hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny « Zoma ifampizarana », adihevitra tokony hotontosaina ny zoma izao, eny amin’ny Mozea ICMAA Isoraka. Noho ny fotoam-pahatsiarovana ny hetsika nisy teto amin’ny firenena no antony. Mbola vonona amin’ny fotoana manaraka koa ny pasitera Kotobesoa, hiresaka ny lohahevitra “Le “fatrange”, territoire des vivants et mémoire des morts ». […]
kolon-tsaina
« Ant’SAry Doc Mada », andiany faha-4 : Hasongadina ireo horonantsary fanadihadiana
Horonantsary maro notontosaina tany amina firenena 10, anisany ny eto Madagasikara. Ireo no halahatra, hampahafantarina sy hifaninanana mandritra ny “ant’Sary Doc Mada”. Hatao eto Antananarivo ny andiany faha-4 amin’ny “Festival Ant’Sary Doc Mada”, ny 25 septambra hatramin’ny 3 oktobra izao. Hetsika iraisam-pirenena, miompana manontolo amin’ny horonantsary fanadihadiana izy ity. Sanganasa […]
TARATRY ny KANTO
Haseho an-tsehatra ny « Kiala Soa ». Tantara an-tsary mitohy, tsy toy ny teatra klasika mahazatra fa maoderina kokoa izy ity, nosoratan’i Valisoa Ranaivoson. Ao amin’ny Havoria Anosy no hanehoana izany, ny sabotsy 3 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Endri-tseho tsy mahazatra ka hanentanana ireo liana amin’ny tantara tsangana. Misy […]
« Kardo 2026 » – Russie: Nentin’i Fab’s Brownz nody ny amboara
Maresaka any Russie any, tato ho ato, ny zavakanto malagasy. Taorian’ny « Your generation », lasan’ny Malagasy koa ny laharana voalohany amin’ny fifaninanana rap « Kardo 2026 ». Lasa ihany koa ny mozika an-tanàn-dehibe! Nanakoako ny vaovao fa norombahin’i Fab’s Brownz ny laharana voalohany amin’ny sokajy « rap pro », nandritra ilay fifaninanana « Kardo 2026 », natao […]
« Ventson’ny Be Art » : Mifandrary ny kanton’i KaMi sy Zongo Bilaky
Manome sehatra hisongadinan’ny fahasamihafan’ny fomba fanehoan’ny mpanakanto ny sanganasany ny Tokotany Be Malagasy. Anisany ny fampirantiana mandeha ao, amin’izao fotoana. Mpanakanto marolafy roa, samy manana ny aingam-panahiny, samy manana ny fironany eo amin’ny famoahana izany ho zavakanto ihany koa. Ny itovian’i KaMi sy i Zongo Blaky dia izay fitiavana mizara […]





