Endrika ivelany. Manomboka mibirioka. Vao mainka fa ny fototra ? Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina tahaka izao no hanatanterahina ny famadihan-drazana sy ny famorana. Ao ihany koa no ahitana ny fitokanana tsangambato (fasana). Nanana ny antony na ny fotom-pisiany tsirairay avy izy ireny. Manaja izany ny endrika ivelany. Tsy izany ny zava-misy […]
kolon-tsaina
Zaridainan’Antaninarenina : Handray ny « Hosotra 2026 »
Misokatra amin’ny seha-kanto marolafy ny « Hosotra » amin’ity. Nivelatra tamina mpanakanto maro ihany koa, izay hasongadina etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Tsy hosodoko sy sary fotsiny intsony. Handray ny saripika, sokitra, sarimihetsika, slam poezia, sy ireo seha-kanto hafa ny «Hosotra» amin’ity. Hotontosaina manomboka anio hatramin’ny 29 aogositra izany, araka ny fampahafantarana teny amin’ny […]
Kaonseritra Asandrato: Antoko mpihira telo hidera an’Andriamanitra
Fankalazana telo sosona no hotanterahina ny sabotsy 15 aogositra ho avy izao, ao amin’ny efitrano Havoria Anosy. Eo ny taon-jobily volafotsy (50 taona) ny Sampana Tanora Kristianina (STK) Tia FJKM Andraisoro Kristy Fehizoro. Ny faha-35 taona namoronan’Atoa Razafindrazaka Handrisoa, hira fiderana tao amin’ny antoko mpihira Anjomaran’ny Fitiavana, FJKM Tranovato Fitiavana […]
Jazz@Tohatohabato: Nanana ny lazany i Madagasikara sy ny kantony
Efa tazana hatry ny ela ? Hanana ny hoaviny mamiratra ny tontolon’ny jazz eto Madagasikara. Nientana ny teny an-tsehatra. Tahaka izany ihany koa ny mpijery. Maro ny feo re fa niavaka ny… «… Mahay ianareo Malagasy, indrindra fa ny tanora. Manan-talenta ianareo… », hoy ireo vahiny tonga teny amin’ny famaranana ny fampisehoana an-tsehatra […]
Sorakanto : Nodimandry i Sitraka « La Vérité »
Folaka an-dantony… Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Very namana, mpikambana mavitrika ny fikambanan’ny mpanao gazety mpikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, Sorakanto. Nodimandry teo amin’ny faha-36 taonany i Sitraka Rakotobe. Niasa tao amin’ny gazety La Verité no tena nahalalan’ny maro azy, nahazoany ny anarana Sitraka La Verité. Nanovo traikefa sy nanomboka asa […]




