kolon-tsaina

Kaonseritra “Asandrato” : Hira 30 horedonina mandritra ny adiny telo

Hanakoako hira fiderana indray ny etsy Anosy, rahampitso sabotsy mandritra ny andron’ny “assomption”. Antoko mpihira telo no hanandratra ny feony, ao anatin’ny fankalazana taon-jobily. Hotanterahina rahampitso 15 aogositra, ma­nom­boka amin’ny 3 ora folakandro ao amin’ny efitrano Havoria Anosy, ilay kaonseritra “Asandrato”. Seho ara-pilazantsara, hanandratan’ireo antoko mpihira telo sangany sy manana […]

TARATRY ny KANTO

Ho avy eto an-tanindrazana i Voara ? Raha ny fampahafantarana any anaty tambajotran-tserasera, hisy ny seho an-tsehatra hiarahan’i Sahaza Guitariste sy i Voara, ny sabotsy 5 septambra izao, manomboka amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny Pho Resto Ivato. Fampisehoana nampitondraina ny lohateny « Hotsaro­vantsika ». Hanotrona an-dry zareo amin’izany ny tarika Fangia Kalo […]

Mila manovo fahalalana : Simbain’ny tantara ny kolontsaina

Tsy ny kolontsaina ihany fa na ny zavakanto, ny soatoavina ary indrindra ny fomba amam-panao malagasy, maro no simbain’ny tantara. Na, fanahiniana nodisoina na diso tsy nahy na novaina, sns. Amin’ny ankapobeny, ny vahiny no niezaka nandrakitra an-tsoratra ny tantaran’i Madaga­si­kara sy ny Ma­la­gasy. Nam­pifangaroin-dry zareo tamin’ny fikatsahana tombontsoa ma­nokana, […]

“Jeu vidéo”: Nahemotra ny fivoahan’ny “Kalanoro”

Tokony hivoaka ny 27 aogositra izao ilay “jeu vidéo” ma­lagasy, “Kalanoro”. Nanambara indray ny Studio Ted Raketa izay mpamokatra, fa hahemotra ny 24 septambra izany. Ny antony, hivelatra amin’ilay orinasa japoney Sega ny fiaraha-miasa, ka hiitatra ihany koa ny fipariahany maneran-tany. “Hanampy bebe kokoa ny fampahafantarana ny Kalanoro izay fihemorana […]

Tantara amin’ny onjam-peo : Mitaky ny hisitrahany zo ny mpilalao sy ny mpanatontosa

Notanterahina omaly tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena, Anosy, ny fampisalorana mari-boninahitra ireo mpisehatra amin’ny tantara amin’ny onjam-peo. Nisy fitakiana nataon’izy ireo momba ity kanto iray ity. «Fotoana iray hararaotina ny fihaonana tahaka izao ha­nehoanay ny hetahetanay ka itakiana ny zo hositrahanay mpilalao sy mpanatontosa tantara amin’ny onjam-peo ka hahazoanay izany isan-taona », hoy […]