kolon-tsaina

Njakatiana : « Te haneho seho goavana, amina toerana goavana… »

Andrasana fatratra izay ho fitrangan’ny sehon’i Njakatiana ao amin’ny Coliseum. Anisan’ireo mpanakanto mametraka fanamby ambony foana koa mantsy izy. «Ho antsika mianakavy jiaby». Tsy lohatenin’ny fampisehoana akory, fa lohahevitra ho­voizina mandritra ilay fampisehoana hotontosain’i Njakatiana, ny alahady 4 oktobra izao, etsy amin’ny Coli­seum Antsonjom­be io. «Ny tarika Njakatiana te haneho […]

Literatiora : Mizara ny traikefany i Alexandre Lenote

Mpanoratra teratany frantsay i Alexandre Lenote. Naha­zo ny loka « 5 Prix des 5 continents  de la Francophonie » andiany faha-25 izy, tamin’ny alalan’ilay boky « Cette vielle chanson ». Loka omen’ny Organisation internationale de la francophonie na OIF izy ity, natao indrindra hanasongadinana ny asa soratra amin’ny teny frantsay sy ny frankofonia amin’ny […]

EK PED MAA KE NAAM : Nomarihina tamin’ny fambolena ravinala sy “palmier”

Nankalazaina omaly, teny amin’ny Lapan’Andafiavara­tra, ny “EK PED MAA KE NAAM, niarahana tamin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera sy ny masoivohon’i Inde. Fambolena ravinala iray sy «palmier” iray no nanamarihina ny hetsika “EK PED MAA KE NAAM”. Ity hetsika ity izay manome lanja manokana ny reny loharano nipoirana sy ny […]

Mpanao Teatra malagasy : Hanangana vovonambe nasionaly

Manatsara hatrany ny fototra ny Malagasy mpanao teatra. Hiditra amin’ny fananganana vovonambe nasionaly izy ireo. Amin’ny alalan’ny fivoriana izay hiantsoana ireo Malagasy mpanao teatra rehetra, anio, no handinihina ny fananganana izany. Ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina (Ofnac) no mikarakara ny fiantsoana, hanasany izay rehetra voakasika amin’izany ho tonga […]

« Forum international des cultures-unies » any Russie : Nitondra ny anjara birikiny ny solontena malagasy

Hetsika ara-kolontsania iraisam-pirenena anisan’ny lehibe indrindra ny « Forum international des cultures-unies ». Manana solontena manatrika izany i Madagasikara. Efa nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy lasa teo ny andiany faha-12 amin’ny «Forum international des cultures-unies» fanao any Saint-Pé­tersburg, Russie, ka mitohy hatramin’ny anio. Hetsika marolafy manodidina ny ko­lon­tsaina maneran-tany no […]