Ho an’ny Malagasy, ny manan-janaka, manan-karena. Raha ny tranga misy eny amin’ny fiarahamonina ankehitriny, manary harena tsikelikely ny reny. Manomboka tsy misy vidiny aminy ny zanany. Hankalaza tsy ho ela ny « Fetin’ny Reny » ny firenena maro maneran-tany. Ho an’ny Malagasy manokana, fahiny, tsy misaraka amin’ny reny ny zanaka. Faharoa, harena […]
kolon-tsaina
Literatiora: hizara ny “Kipantsona” i Lova Santatra sy i Voary
“Miderà Azy amin’ny kipantsona tsara feo”. Sal.150-5. Avy amin’io andalana anaty Soratra Masina io no nakana ny anaran’ny hetsika “Kipantsona”. Antsan-tononkalo fanaon’ny Faribolana Sandratra izy ity, izay hotontosaina ny 24 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. I Lova Santatra sy i Voary no hifarimbona hizara ny kanto mandritra izany. […]
Kalon’ny fahiny: hihira ho an’ny reny ny tarika Solika
Fatra-panaja ny reny ny Malagasy. Tsy ho diso anjara izy ireo amin’ity taona ity fa hotolorana fehezam-boninkazo lehibe… Na, ilay fampisehoana an-tsehatra hiarahana amin’ny tarika Solika. Ny alahady 25 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CCEsca Antanimena, hanatanteraka rindran-kira lehibe ny tarika Solika. Fampisehoana tafiditra ao anatin’ny […]
« Afromada Music Awards »: « Artiste révélation » i Ceasar
Teo amin’ny tontolon’ny zavakanto, namarika ny faran’ny herinandro teo, ny fisian’ilay fifaninanana «Afromada Music Awards». Mpanakanto maro no nandray anjara. Anisan’ny nahazo sy notolorana ny amboara «Artiste révélation de l’année» i Ceasar. Malagasy mpanakanto anisan’ny nanintona ny mpitia zavakanto ny fomba nanehoany ny sanganasany. Sokajy miisa 29 no nifaninanana, ka […]
Iray volana hanandratana ny teny malagasy: hisy ny atrikasa literera fanoratana tantara
Volana jona, fotoana hanamarihan’ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Ho an’ity taona 2025 ity, hisy ny atrikasa literera mitondra ny lohahevitra : «Ny fanoratana tantara fihaino» na ny «thèatre radiophonique». Isaky ny sabotsy, etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, rihana voalohany no hanatontosana izany. Hitarika ny atrikasa sy hizara […]