Volana oktobra, volan’ny labiera. Hanamarika ny «Oktoberfest» sy ny fifampizarana hafaliana manodidina izany koa ny eto Madagasikara. Hetsika mampifandray ny kolontsaina sy ny fialamboly. Marina fa kolontsaina vahiny, saingy efa ankalazaina amina firenena maro ny « Oktoberfest », anisany isika. Tsy ny volana oktobra irery fa hanomboka ny 15 septambra […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Maromaro ny seho hotontosain’ny Mahaleo taranaka miaraka amin’i Bekoto sy i Dama any Eoropa. Hisantatra izany ny any Belgique, ny 3 oktobra izao. Hitohy any Italie, Allemagne ary France izay izany hanehoana seho maromaro. Hotontosaina anio ny seho famaranana mozika klasika eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hifandimby an-tsehatra amin’izany ireo […]
« Tafaray samy tia » : Hiray sehatra ny tarika Ny Voanio sy ny Vola sy Noro
Nitovitovy ny fotoana nipoirana. Samy manana ny mpitia ny sanganasany. Tsy mifanalavitra anefa izy ireo. Satria nisy fifamatorana akaiky teo amin’ny kanto atao. Hanamafy izany ny taranaky ny tarika Ny Voanio sy ny tarika Vola sy Noro. Iray amin’ireo fampisehoana an-tsehatra hiavaka hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity, eto an-dRenivohitra, ny […]
Boeny: Miofana ireo mpisehatra amin’ny dihy
Manana mpandihy manan-talenta ny ao Boeny. Tsy ampy anefa ny talenta fotsiny fa tsy maintsy tovanana traikefa izany. Antony hanomezana fiofanana ireo tanora mpisehatra amin’ ny dihy, mandritra ny hadimiana izany, ao amin’ny efitrano « Akory lahaly », Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera Mahajanga. Mitarika izany Ratovonirina Falihery, mpampiofana avy ao amin’ny […]
« Fibata » : Rakikira iarahan’i Tefi sy Bob Tobias
Efa heno siosio teny foana… nohamafisin’i Bob Tobias sy i Tefi ny fidiran’izy ireo anatin’ny tontolon’ny mozika indray, ankoatra ny hatsikana. «Fibata ». Io no lohatenin’ilay rakikira vao navoakan’i Bob Tobias sy i Tefi. Efa fotoana elaela no nampandrenesan-dry zalahy ireo mpanaraka azy anaty tambajotran-tserasera fa omaly kosa vao nampahafantarina tamin’ny […]





