kolon-tsaina

Afro Queens Music Awards: Solontena malagasy i Denise

Vehivavy afrikanina mpanakanto manana ny maha izy azy maro no mifaninana amin’ny “Afro Queens Music Awards”. Anisan’izany ny mpanankato Denise. Sokajy isan-karazany no hifaninanany amin’izany. Tsy ho diso anjara fa manana ny solontenany i Madagasikara ao ana­tin’ilay “Afro Queens Music Awards”. Fifaninanana izay hatao amin’ny alalan’ny fandefasana ny sanganasa ampitain-davitra. […]

Tarika AmbondronA : 25 taona niara-nanoratra tantara tamin’ny mpankafy

Tsy hira fotsiny… Fiainana manontolo no niarahan’ny tarika sy ny mpankafy azy. Fintina an-tsehatra ihany ny seho. Fanamby goavana hafa indray no tontosa. No­porofoin’ny Ambon­dronA indray ny maha tarika anisan’ny be mpankafy azy ireo. Tanteraka ireo fanamby maro, nandritra ny «Ivony», omaly, tetsy amin’ny Coli­seum. Ivon’ny fankalazana ny 25 taona, […]

« Ivony », etsy amin’ny Coliseum: Miatrika fanamby goavana ry AmbondronA

Rahampitso ilay andro lehibe ho an’ny tarika AmbondronA sy ny mpankafy azy. Tsy ny famenoana ny Coliseum intsony ny fanambin’ny tarika, fa hametraka seho ho tantara. Herinandro mialoha no nanomboka ny fanomanana ny sehatra. Tsy mbola fahita hatrizay nisian’ny seho tao amin’ny Coliseum Antsonjombe no homanin’ny tarika AmbondronA. «Ivony no nataonay […]