kolon-tsaina

« Maman’i Amba » : Teatra manohitra ny herisetra amin’ny vehivavy

Tsy lany ketrika raha ny Compagnie Zolobe. Miala any indray ny « Maman’i Amba », tantara fisehatra mifototra amin’ ny lohahevitra, hanoherana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny manodidina izany. Misy angano malagasy iray izay hoe «Manam­bady voay». Nalaina avy amin’izay ny «Maman’i Amba», tantara fisehatra noketrehin’ny Compagnie Zolobe […]

Lavon’ny aretina : nodimandry i Rira

Andro manjombona indray ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny sabotsy teo Randriatseheno Wilfried Gervais, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rira “Baban’i Roukia”. Nolazoin’ny aretina efa elaela ihany izy, ka nampidirina hopitaly tany Mahajanga. Nihombo io aretiny io, ka voatery nampiakarina taty Antananarivo ity mpanakanto ity. Tsy nahatohitra izany anefa, […]

“Opération Bokiko”: Tia boky Andriampamaky

Tratra ny tanjona ho an’ny “Opération Bokiko”. Tia boky ny mponin’Andriampamaky, raha notarafina tamin’ny hetsika momba ny boky sy ny vakiboky notontosaina tany an-toerana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Liana voalohany indrindra ireo ankizy mpianatra, izay sambany vao nanao atrikasa momba ny fanoratana. Natomboka ta­min’ireo mpianatry ny kolejy ny atrikasa, […]

HAPPY STORY of My TENNIS LIFE: Hivoaka ny alarobia izao ny boky

Ambohipihaonan’ny zavakanto sy ny fanatanjahantena, indrindra ny haisoratra sy ny taranja tenisy, ny fotoana hamoahana ny boky Happy story of my tennis life. Hotanterahina ny alarobia 27 novambra, eny amin’ny Amicale culturelle et sportive d’Ambohi­da­hy (ACSA), ny fampahafantarana sy famoahana amin’ny fomba ofisialy ny boky Happy story of my tennis life, […]

TARATRY ny KANTO

Hanao fampisehoana ireo mpianatra mpitendry amponga maroanaka, mpianatr’i Mendrika Rasolo­mahatratra. Rahampitso manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny CGM Analakely, izany. Fanaon’ny sekoly, mba hanomezana sehatra voalohany ireo mpianatra ao aminy, ny haka endrika fitsapam-pahaizana. Nodimandry Rabarivola Andriamihaja, fantatra amin’ny anarana hoe Ndrema. Mpanakanto izy ary zanak’i Romule tao amin’ny Kintana […]