Nivaly ny fangatahan’ny sendikan’ny kanto. Nivoaka tamin’ny Filankevitry ny minisitra ny alin’ny alatsinainy teo, ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2023-405 ary manendry an-dRanjarivo Andriamiharimanana Haja ho talen’ny Ofisy malagasy misahana ny zon’ny mpamorona, na Omda. Tsy zoviana amin’ireo mpisehatra, satria dia efa nitana ity andraikitra ity nandritra ny taona […]
kolon-tsaina
Jaw’s Band – Fiderana sy fizarana : Hisy ny « Gospel Vibe Christmas » 2025
Krismasy nahaterahan’Ilay Mpamonjy. Hanatanteraka seho mifanaraka amin’izany ny Jaw’s Band. Hifantoka amin’ny fiderana sy ny fizarana, raha ny nambaran’ny mpikarakara ity andiany voalohany ity. Rehefa nomanina sy novolavolaina tao anatin’ny fotoana maro… Raikitra fa hotanterahina ny ny talata 24 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Amphithéâtre Sainte […]
TARATRY ny KANTO
Nikatona tanteraka ny “Madagaslam Festival 2025”. Ankoatra ireo ny fampahafantarana an’i Ma Fia, izay tompondakan’i Madagasikara, nandritra ny “Slam national” andiany faha-16, efa fantatra koa ireo mpandresy tamin’ny sokajy hafa. I Mariah Danielle teo amin’ ny sokajy “Slam media kids”, i Sedra nandresy tao amin’ ny sokajy “Slam Media open”, […]
Fizarana fahalalana amin’ny kolontsaina : Mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy
Mbola tena mafy ny fifandresen-dahatra! Mila omen-kasina ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Tsy izay, anefa, ny zava-mitranga fa mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy. « Izahay te hianatra mitendry valiha, milalao fanorona, hahay sikidy sy fanandroana, sns. Saingy, misy sarany avokoa ny fianarana ireny… Tsy aleo ve atao maimaimpoana », […]
Andrarezin’ny vazo miteny : Hisy ny “Pao-tsatroka ho an’Ifanihy”
Tsy misy adihevitra, fa Ifanihy no anarana akaiky indrindra raha vao hoe “vazo miteny”. Misy ireo zandry novolavolainy, hanolotra pao-tsatroka ho an’ity mpanakanto ity. “Omeko tsy omeko”, “Lemena”, “Mpiasan’ny voirie”, sns. Tany amin’ny fiandohan’ny taom-polo 80 tany no efa nampisongadina ireo hira ireo. Mpamorona iray, mahay milalao ny teny hifanaraka […]




