Sady hamaranana ny taona 2025 no hamaranana ny faha-10 taonan’ny tarika Ny Feon’ Analamanga, hanatanteraka fampisehoana an-tsehatra ao amin’ny IKM Antsahavola ny sabotsy 20 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ity tarika mamelona sy mivoy ny kalon’ny fahiny (hira teatraly) ity. Maro ireo hira heno tany anaty teatra tamin’ […]
kolon-tsaina
« Momota Tic Tac Show» : Hira, dihy, cirque, hatsikana ary lalao ho an’ny ankizy
Zava-baovao no haseho. Anisan’ny fampanantenana nataon’i Momota sy ny ekipany, miaraka amin’ny mpikarakara io, omaly. « Cirque Momota Tic Tac Show » ny lohateniny, izay hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany, ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. « Hitondra zava-baovao ho an’ny ankizy izahay, asehonay koa fa izahay mahafeno Palais […]
Ambohimanga Rova: Hamafisina ny fiarovana
Tonga nitsirika teny amin’ny vohitr’Ambohimanga, misy ny Rova, ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony Ogascar, omaly. Nomarihin’ny minisitra fa mirakitra tantaram-pirenena maro sy soatoavina tsy manam-paharoa maneran-tany ny vohitr’Ambohimanga, izay mbola mitahiry ny vakoka efa an-jato taona maro, toy ireo fanaka sy ny endriky ny toerana ary ny […]
Fiarahamonina, kolontsaina… Mila raiamandreny ny Malagasy
Maro ny zava-takin’ny firenena mba hiarenany ho any amin’ny tsara kokoa. I Madagasikara sy ny fiainam-piarahamonina ao anatiny. Mila raiamandreny. Iray amin’ireo lamina voajanahary narahin’ny Malagasy ny fanajana sy ny fifanajana. Anisan’ny isongadinan’izany ny fifandraisana sy fifamatorana misy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Ny anti-panahy sy ny tanora. […]
TARATRY ny KANTO
Ho avy eto ihany i Gabi Hartmann. Anisan’ireo mpihira sy mpitendry gitara mirona amin’ny jazz frantsay amin’izao fotoana, izy. Tokony ho vahinin’ny hetsika “Madajazzcar 2025”, saingy tsy tontosa tamin’ny volana oktobra teo izany. fantatra kosa izao fa hoavy ihany ary hanolotra seho ny 12 desambra izao, ao amin’ny IFM Analakely. […]




