Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ny lanonam-pankalazana ny faha-60 taona nisian’ny cité akany Sambatra Itaosy. Fotoam-pivavahana sy fandraisam-pitenenana ary fitokanana tsangam-bato no nanamarihana izany. Nitohy tamin’ny hetsika maro samihafa, toy ny karazam-pampirantiana momba ny tantaran’ny toerana. Nisy ny fanentanana sy hetsika ara-kolontsaina sy fampisehoana avy eo. Nanafana ny […]
kolon-tsaina
Lalatiana tetsy Mahamasina : nahasarika mpankafy maro ny fampisehoana
Nahasarika mpankafy maro ny seho natolotr’i Lalatiana sy ireo mpitendriny, omaly. Nankafizin’ny maro ny seho tony dia tony sy milanto. Tontosa omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina, ny seho nataon’i Lalatiana. Fampisehoana tokana nataony eto an-tanindrazana taorian’ny fotoana ela tsy nahatazanana azy. Tonga maro nanatrika ireo mpankafy satria […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina ny 2 hatramin’ny 28 novambra 2024, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana « Invitation Aux Temps » tontosain’i Finoana Ratovo Andriantseheno. Hosodoko sy sary sokitra maneho fiarahamonina anjakan’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fitoviana no hasehony ao anatin’izany. Hiaka-tsehatra ao amin’ny IFM Analakely, anio, mandritra ny hetsika « Focus Fantasia », […]
Mahaleo Taranaka: manoritra tsikelikely ny lalany
Nahazo ny tsodranon’ny raiamandreny. Telo taona teo izay no niara-dalana tamin’ny tarika Mahaleo ny taranaka. Zanak’ireo mpikambana ao amin’ny tarika ihany ny ankamaroan-dry zalahy. Nanotrona hatrany an’i Bekoto sy i Dama, nanohy ny “Revy Mahaleo” izy ireo. Taorian’ny tsodrano avy amin’izy mirahalahy Mahaleo mbola velon’aina, manoritra tsikelikely ny lalany amin’izay […]
“Embana” : sidina am-poezia etsy amin’ny CGM Analakely
Kalo Fanomezana, Nirihaja, Tiavina ary Haingohaja. Andriambavilanitra efatra natambatry ny poezia ary mpiray faribolana ao amin’ny Sandratra izy ireo. Hisidina am-poezia, araka ny filazan’izy ireo azy, amin’ny alalan’ny “Embana” ny sabotsy 26 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CGM Analakely. “Ny hoe Embana dia fitenim-paritra iray izay […]