Nifandamina ny samy mpanakanto sy ny mpikarakara. Efa tapaka izany ary tsy miova intsony fa ny alahady 16 novambra no hanaovana ilay fampisehoan’i Marion, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. «Noho ny fangatahan’i Bodo manokana dia nomenay azy ny daty 23 novambra, izay efa azy teo aloha ihany saingy najanon’ny mpikarakara […]
kolon-tsaina
Tojo tsy fahasalamana…: Hisy hetsika tolo-tanana ho an’i Kolibera
Naiditra hopitaly i Kolibera. Mbola ho lavalava ny fitsaboana, ka hanao seho tolo-tanana ireo mpanakanto maro, hanampiana azy hahazo fahasalamana malaky. «Narary tao an-trano izy ka voatery nampidirina hopitaly. Efa hita ho mihatsara ny fahasalamany, saingy mbola ho lava ny fitsaboana raha ny nambaran’ny dokotera», hoy ny nambaran’i Nini, zanak’i […]
Taranak’andriana… : Haverina ny hasin’ny firenena
«Hanao ny dingana rehetra izahay handavorariana ny hamerenan-kasina ny firenena sy ny eto Analamanga. Hodiovina sy esorina ny tsy mety. Alana ny faditra mba hiverenan’ny hasina sy hivelaran’ny fiainana ho an’ny taranaka fara aman-dimby», hoy ny avy amin’ny Vovonan’ny taranak’ andriana sy ny mpandala sy mpitana ny fomban-drazana, tetsy Maroho. […]
Haitao Zafimaniry : Hifotorana ny fampitana traikefa amin’ireo taranaka
Tsy mampiavaka ny Zafimaniry irery, fa hahafantarana an’i Madagasikara maneran-tany ny haitao vitany. Misedra olana maro ka mahavitsy ny mpanao asa tanana mifototra aminy ity seha-pihariana sady fanandrantana fahaiza-manao sy kolontsaina manokana ity. Inona ny tokony hatao mba tsy ho tapitra eo amin’ireo mpiangaly azy amin’izao fotoana ny haitao Zafimaniry […]
Editions Jeunes Malgaches: Nivoaka ireo boky mirakitra ny tantara
Boky roa mirakitra ny tantaran’i Madagasikara, hanampy sy hanamafy ireo efa nisy. Efa nivoaka izao ny « Madagascar sous la 1ère République de 1960 à 1972 », nangonin-dRakotoniaina Bearisoa. Manohy izany ny « Madagascar sous la 2e Republique de 1975 à 1992 » notontosain’i Lahiniriko Denis Alexandre. Samy novokarin’ny Editions jeunes malgaches avokoa izy ireto. […]




