kolon-tsaina

« Festival Godié Hype – Hope 4Ever» : Hetsika goavana ho an’ny Hip-Hop

Mihovitra amin’ny Hip-Hop ny tanàna. Mandray ny andiany fahefatra amin’ny hetsika “Festival Godié Hype-Hope 4Ever” i Antsiranana. Efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny hetsika, tamin’ny alalan’ny “Hype Hope Camp”, atrikasa nandritra ny 2 andro, nifampizarana traikefa ho an’ireo tanora mpiangaly ny Hip-Hop, teny amin’ny Montagne Des Français, Anosiravo. Fampidirana […]

Madajazzcar Festival : Nosantarin’ny « Tremplin Madajazzcar » ny hetsika

Ho tsara ny tolotra. Hisy ny fivelarana. Hisongadina ny fiaraha-miaina sy fifanajana anaty fahasamihafana. Fanambin’ireo mpikarakara ny « Madajazzcar Festival » ireo. Nisantatra izany ny « Tremplin Madajazzcar », notanterahina omaly. Tafiditra ao anatin’ny an­diany faha-36 ny “Mada­jazzcar Festival”. Iray amin’ireo mampiavaka azy ity ny fisian’ny fisokafana lehibe amin’ny fanatanterahana ny fandaharam-potoana. Anisan’ ireny […]

TARATRY ny KANTO

Nisongadina ireo Malagasy mpandihy, nandritra ny «Festival Bouzé» natao tao La Réunion, ny sa­botsy 13 septambra lasa teo. Tompondaka teo amin’ ny sokajy «Afro style» i René. Nandresy tamin’ny sokajy « Hip Hop Free Style » kosa i Andoniaina. Ankoatra izay, nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny sokajy brea­king ihany koa, i Bibrock. […]

« Angaredona Mozika Festival » : Hanasongadina ny fahasamihafana ara-javakanto

Harena ny fahasamihafana. Aty amin’ny tontolon’ny za­vakanto sy ny kolontsaina no tena voamarina indrindra izany. Izay mantsy no hasongadina mandritra ny «Angare­dona Mo­zika Festival», nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sa­botsy 13 septambra teo, teny Ambohimanga. Hita taratra sahady, teny am-panombohana, ilay «kolontsaina mampiray firenena», araka ny lohahevitra hovoizina mandritra ity […]

« Tafan-gilita fifaninanana »: Nandrombaka ny voalohany i Hira

Mafy ny fifaninanana! Fa nisongadinana kokoa noho ireo namany, ka nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ilay fifaninanana mitendry gitara, anatin’ny hetsika « Tafan-gilita Festival »,  i Hira. Tsara toerana hatrany izy nanomboka tany amin’ny dingana voalohany ka hatramin’ny famaranana, omaly. Nitovitovy ny safidin’ny mpitsara sy ireo mpankafy, izay nifidy teny Mahamasina. Mbola tanora […]