kolon-tsaina

Cité Ampefiloha-60 taona: nandray anjara ny mpanakanto avy ao an-toerana

Mankalaza ny faha-60 taona nisiany ny cité Ampefi­loha, eto Antananarivo. Fom­ba maro no nentina nanamarihana ny fankalazana ny zoma sy sabotsy teo. Anisan’izany ny fametrahana ny tsangambato, ny hetsika ara-tsosialy, ara-kolontsaina…, ho an’ireo zanaky ny mponina eny an-toerana. Ho an’ny hetsika ara-kolontsaina manokana, nisy ny fampisehoana maimaimpoana natao tetsy amin’ny […]

Ilay ray izay tsy ananako: nampihetsi-po mpijery ny tantaran’ireo tanora telo

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely, ny tantara an-kira ravahana dihy, nampitondraina ny lohateny hoe: “Ilay ray izay tsy ananako”. Tantara nosoratan’ny Dr Velonjara Voary, filoha mpanorina ny fikambanana Iza. Tantara nampisehoana ny fiainan’ny tanora telo tafalatsaka tao anatin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fivarotan-tena noho ny tsy fisian’ny raim-pianakaviana miahy […]

15 taona niarahana : nangotraka ny fanotronan’ireo mpanakanto an’i Eric Manana sy i Jenny

Tonga maro nanotrona an’i Eric Manana sy i Jenny ireo mpanakanto. Izay no azo hamintinana ny seho nentin’izy ireo tamin’ny faha-15 taona niarahany nihira tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly tolakandro. Nangotraka ny fanotronan’ireo mpanakanto maro an’i Eric Manana sy i Jenny satria dia tsy nitsahatra nisy […]

TARATRY ny KANTO

Taorian’ny fahombiazana teny amin’ny CGM Analakely. Haseho an-tsehatra eny amin’ny Ivokolo Analakely indray “Ilay ray izay tsy ananako”, iarahana amin’ny Iza, ny alahady 18 aogositra izao. Tantara tena kanto tokoa sy natao ho an’ny rehetra, mitantara lalam-piainana tanora telo mianadahy tafaroboka tao anatin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy fivarotan-tena. Nisokatra nanomboka omaly, […]

Mifarana anio ny « Herinandron’ny kabary » : «Tratra ny tanjona», hoy Randimbiarison Herizo

Faranana anio, ny « Heri­nandron’ny kabary » na ilay hetsika lehibe tanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma) hoenti-mampivondrona sy manatevim-pahalalana. « Na teo aza ny fiatrehan’ny rehetra ny andavanandrom-piainany. Ho an’ity andiany faha-18 notanterahina teo anivon’ny faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo ity, tratra ny tanjona. Nizotra tsara ny fanatanterahana ny fandaminana napetraka », hoy ny filoha […]