Misokatra ho an’ireo fikambanana ara-kolontsaina ny Kianjan’ny kanto Mahamasina. Fanambarana nataon’i Rossy, omaly, io. Maimaimpoana izany raha misy te hivory ka mila toerana malalaka, satria natao ho an’izany indrindra ao. Afaka mampiasa ny toerana ihany koa ireo tanora na fikambanan’ny tanora te hifampidinika momba ny rahaharam-pirenena, raha ny nambaran’ity mpanakanto […]
kolon-tsaina
« Miss Tourism International » : Vonona ny handresy i Hendry Tsiky
Miandrandra mafy ny hisongadinan’i Hendry Tsiky ny Malagasy maneran-tany. Any Malaisie izy amin’izao fotoana, miatrika ny fifaninanana « Miss Tourism International ». Ho fantatra anio izay hisalotra ity anaram-boninahitra ity, izay hirariana mafy hobatain’i Hendry Tsiky. Efa vonona ny hiatrika ny mpitsara izy, ary ny maha Malagasy no hasongadiny mandritra izany. Ny […]
Mpisehatra eo amin’ny kanto: Hisy fampiofanana ao amin’ny CGM/GZ
Misy asa maro manodidina ny zavakanto sy ny kolontsaina. Mamelona fianakaviana maro rahateo izany maneran-tany. Ny ankamaroany anefa, tsy nisy tena nianatra momba ireo asa manodidina ny zavakanto, fa vokatry ny traikefa mitambatambatra eny fotsiny. Noho ny fahatsapana izany indrindra no nahatonga ny CGM/GZ hikarakara fiofanana ho an’ireo te hisehatra […]
Toliara : Hotontosaina foana ny « Vez’Tival »
Hetsika mampiray, mampihavana ka tena ilaina amin’izao vanim-potoana izao. Hatao foana ny « Vez’Tival » andiany faha-9, ao Toliara. Fihaonambe ny « Vez’Tival », izay endrika firaisankina sy fihavanana izay hatrany no novoizina nandritra ireo andiany teo aloha. Hiditra amin’ny andiany faha-9 kosa ny hetsika amin’ ity, izay hotontosaina ao Toliara, ny 24 hatramin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Nivoaka ny boky « Amboaran’angano 2 », nosoratan’i Arikaomsa Randria, ary noravahin’i Max Razafindrainibe tamin’ny sary. Ny Edition Jeunes Magaches no nanatontosa ny boky, izay mirakitra angano 5 ho an’ny ankizy. Efa misy angano fihaino koa miaraka aminy, amin’ny teny frantsay sy teny malagasy. « Mandrora mitsilany », « i Karenjy », « Ny zanak’i Vorombe », « Imaintsoanala […]




