Voatendry omaly, ho minisitra hisahana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Manam-pahaizana sy efa nisahana andraikitra ambony momba ny fifandraisan-davitra izy. Ho an’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto manokana, anisan’ny andraikitra lehibe miandry azy ny hanala ilay anara-maneso « Faralahin-jaza ». Na nisy aza ny ezaky ny teo aloha rehetra, […]
kolon-tsaina
Tamboho Be : nofaranana ny fankalazana ny faha-20 taona
Sehatra lehibe roa no iasan’ny fikambanana « Tanora mbola hobeazina » na ny Tamboho Be. Ny Tontolon’ny kolontsaina sy ny sosialy. Nosalorana ireo endrika roa ireo ny lanonana nentina nankalazana ny faha-20 taona niorenan’ ity fikambanana ity. Nofaranana ny sabotsy 13 janoary teo ny hetsika fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny fikambanana « Tanora […]
12 janoary : nankalazaina omaly ny Andron’ny manamboninahitra
Fotoan-dehibe sy miavaka ho an’ireo manamboninahitra ny andron’ny omaly. Fotoana miavaka ihany koa hanomezana voninahitra sy hahatsiarovana ny fitakiana nataon’ny mpianatra ho manamboninahitra tamin’izany. Tontosa omaly 12 janoary 2024 ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra. Nahitana izany fanamarihana izany avokoa ireo toby miaramila sy zandary maro nanerana an’i Madagasikara. Samy nanana […]
Mozika tsy tontan’ny ela: mamelo-maso ny Anoka Bagasy
Tetikasa lasa anaran’ny tarika. Anoka Bagasy, mahalaza ny toe-po amam-panahin’ireo mpanakanto eo am-piangaliana azy. Mahalaza koa ny fihetseham-pon’ny mpankafy rehefa babon’ny hira ka entiny mianjoria iny… Antony lehibe nisafidianana ny anaran’ny tetikasa ho “Anoka Bagasy” izany. “Faniriana efa ela tato anatiko izy ity no navadika ho tetikasa. Izaho efa ela […]
Tetikasa “Kanto Manabe” : mitohy ny fampiofanana ny mpanabe
Tanterahina anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny atrikasa fampiofanana ny mpanabe ny kanto eny amin’ireo Tranombokim-pokontany eto amin’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra. Efa nisy ny atrikasa natao ny alarobia lasa teo ary hitohy amin’ny resaka fitaovana mahakasika ny hosodoko ny dinikasa, anio. Tanjona ny hampiroborobo ny haikanto avy eny ifotony. […]




