Hisy ny fihaonan’ny zanak’i Menabe eto Antananarivo, hotontosaina rahampitso, eny amin’ny Villa Kalotody Andohanimandroseza, izay haka endrika lanonana sy fiaraha-misakafo. Hanafana ny fotoana ry Sylange Kilalaky, Thybaut ary Bekasety. Eo koa ny DJ Frunk, hanohy amin’ny fampandihizana. Maimaimpoana ary hanasan’ny fikambanana ireo zanak’i Menabe rehetra izany. Iraimbilanja, etsy amin’ny Piment […]
kolon-tsaina
Fiovana sy fanovana : Tsy voaresaka loatra ireo fototra maha firenena
Matetika ny tontolon’ny politika sy ny toekarena no misongadina. Ny olombelona hanatanteraka ny fiovana, anefa, tsy mahafantatra na mahafantatra ihany fa amin’ny ampahany ny momba azy. Noho izany, tsy tokony hamaivanina ireo fototra. Mila lamina mazava ny fampitiavana sy famerenana azy ireny indray eny amin’ny fiarahamonina. Tsy hita taratra loatra, […]
Hira sy fanabeazana : Manohy ny fitetezam-paritra i Zook Davids
«Mankany amin’ny lafiny efatry ny tany, hizara hafaliana», hoy i Zook Davids. Na, teto an-toerana, na tany ivelany, samy nanehoan’ity mpanakanto sady mpanabe no mpampianatra ity, ny talentany avokoa, tamin’ity taona 2025 ity. Fantatra omaly, fa mitohy hatrany izany. Ho any Taolagnaro na Fort-Dauphin tsy ho ela izy sy ireo […]
Efa nisy ny fakan-kevitra…: Hisy fivoriamben’ny mpanao mozika rahampitso
Toy ny sehatra rehetra, nahitana fifohazana ihany koa ny zavakanto. Maro tamin’ireo mpanao mozika no teny an-kianja nandritra ireny fihetsiketsehana ireny, ka tian’izy ireo hitohy amin’ny asa mivaingana izany. Manaraka akaiky ny fivoaran’ny rahaharam-pirenena ihany koa ireo mpanakanto. Ho an’ ireo mpanao mozika manokana, maro izy ireo no tazana nilahatra, […]
« Afrima 2025 »: Voafidy hifaninana i Denise
Vaovao lehibe indray ho an’i Denise manokana, sy ho an’ny tontolon’ny mozika malagasy amin’ny ankapobeny. Nanambara tamin-kafaliana ity mpanakanto ity, omaly, fa voafidy ho anisan’ireo hifaninana mandritra ny «All Africa Music Awards 2025» na ny «Afrima» izy. Ao amin’ny sokajy mpihira vehivavy mendrika indrindra aty Afrika Atsinanana no misy an’i […]




