kolon-tsaina

Ho fanentanana ny tanora: hanatontosa seho tokana eto i Tiakola

Mpanakanto afrikanina, mitondra avo ny mozika ankafizin’ny tanora maneran-tany i Tiakola. Sambany hisehatra eto Madagasikara izy, ny 11 jona ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nampahafan­tatra ny andinindininy momba ny fandalovan’i Tiakola sy ny seho hotontosainy eto ny NasProd sy ny KP Event, izay mpikarakara, omaly, tetsy amin’ny […]

« Festival Riziky »: hitiliana ireo manan-talenta mila tosika

Maro ny manan-talenta, fa tsy manana fahafahana. Mitodika amin’izy ireo ny Live Prod sy ny Yas Madagascar, hanome sehatra hiakarany amin’ny ambony kokoa. Zara raha misy 10 isan-jato amin’ireo manan-talenta amin’ny mozika eto Madagasikara ireo malaza amin’izao fotoana izao. Noho ny fahatsapana fa misy mpanakanto tokony homena vintana hiakarany no […]

« Malagasy Design gaze »: hetsika ho an’ny forona miavaka

Hanasongadinana ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpanakanto eo amin’ny sehatry ny famoronana. Izay no tanjona amin’ny hetsika «Malagasy Design gaze», hotontosaina ny 7 hatramin’ny 21 jona izao, eto Antananarivo. Haka endrika varotra fampirantiana ny hetsika. Mikasa ny hampiseho amin’ny rehetra ny fahaizana, ny kalitao ary ny harenan’ny famoronana vita malagasy ny mpikarakara. […]

TARATRY ny KANTO

Hisy ny velakevitra momba ny haisoratra, hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Ireo andrarezina amin’izany no hitarika, ahitana an’i Jean Nalisoa Ravalitera, hamakafaka ny lohahevitra « Literatiora marolafy, mifanaraka amin’ny vanim-potoana », sy Ranoe, hitondra ny « Mpanoratra marojery mandrafitra zava­kanto». Hiverina hiaraka an-tsehatra ve ry zareo […]