Tsy nisy nahavita toa azy, hatreto. I Joely no mpampihomehy voalohany nahafeno ny Lapan’ny fanatanjahantena. Izy koa no nahavita nampihomehy mpijery nandritra ny ora telo mahery. «Marina mafy !». Tena nampiaiky ny rehetra, araka ny anaran’ny fampisehoana nataony mihitsy, raha ny talentan’i Joely. Tena mikoriana anaty rany ny fampihomehezana, ary vavolombelon’izany […]
kolon-tsaina
Festival Jôkôsô: haneho ny talentany ireo sangany amin’ny hatsikana
Hiaraka haneho ny talentany mandritra ny “Festival Jôkôsô” ireo mpanakanto amin’ny hatsikana sy fampihomehezana efa matihanina sy andrarezina. Fa eo koa ireo tanora vao misondrotra nefa tsy mena-mitaha amin’ny hafa. Tsy lany olona manan-talenta i Madagasikara. Hatao ny 18 hatramin’ny 25 septambra ho avy izao, eto Antananarivo sy Toamasina, ny […]
“Fos’Art Festival”: ny zavakanto no hanohanana ankizy sahirana
Hetsika ampiarahana ny zavakanto sy ny fanampiana ny mpiara-belona. Hotontosaina ny sabotsy 10 oktobra ho avy izao ny “Fos’Art” Festival”, andiany voalohany. Hatao eny amin’ny Golf Galaxy – Birdy Antananarivo izany, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Karazan-kanto marolafy no hasongadina mandritra izany, ka anisany ny hainahandro sy ny manodidina azy. […]
Sandratra Atsinanana: nanome sehatra ireo mpianatra
Nanamarika koa ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ny tany Brickaville, ny alarobia lasa teo. Nandray ny hetsika ny CEG Brickaville, ka nifarimbona tamin’izany ireo mpianatra, mpampianatra ary ny Sampana Faribolana Sandratra Atsinanana. Nanome sehatra bebe kokoa ireo mpianatra ireo poeta sy mpanoratra, nahafahan’izy ireo niantsa […]
Tontolon’ny dihy: maniry hiatrika seho iraisam-pirenena i Bboy Fabio
Anisan’ny Malagasy mpandihy, manana ny lazany eto Madagasikara, i Tovonirina Thierry Fabio na i Bboy Fabio. Efa nahazo indroa misesy ny fifanintsanana teto Madagasikara ny lehilahy ary maniry ny hifaninana amin’ireo mpandihy iraisam-pirenena. Tovolahy 28 taona, efa manana ny toerany eo amin’ny sehatry ny dihy, indrindra ny Break Dance, i […]





