kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Nikatona ny « Iray volan’ny hosodoko ». Samy nahitana hetsika ireo faritra maro manerana ny Nosy, nanehoana ny sanganasan’ny mpanakanto mpiangaly izany. Nifarana, omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely, ny fankalazana tamin’ity taona ity. Hisy ny fiaraha-miasa bebe kokoa eo amin’ny Akademiam-pirenena momba ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac, ho fanamafisana […]

« Kanto mifameno » : Seho iarahan’ny tarika Johary sy i Poopy

«Fitia voarara». Fampia­raham-peon’i Poopy sy ny tarika Johary, nivoaka tany amin’ny taona 1992 io. Angamba anisan’ireo fampiaraham-peo naharitra indrindra tamin’ny laza, satria mbola mitoetra hatramin’izao izany. Efa ela toy izany koa ny fiarahana, saingy tsy nisy matetika ny hoe Poopy sy ny tarika Johary irery an-tsehatra. Nofinofy ho tanteraka ny […]

Fanabeazana sy kolontsaina: Hanokatra foibe iray ny Zanabaliha

Fikarohana maro momba ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy maro no efa voaangon’ireo raiamandreny teo aloha… Taona 1995, nanohy ny fanangonana sy nivelatra tamin’ny fampianarana azy ireny izy ireo niaraka tamina tanora vitsivitsy. Fijoroana ho ara-dalàna, nisalotra ny anarana Zanabaliha ireto mpikaroka sy mpampianatra ireto. Taona 2026, fanamby lehibe no […]

Kihon-dalan’ny kabary malagasy : Ranoromampionona Voary, filoha vaovaon’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany

Anisan’ny andro lehibe nandrasan’ny tontolon’ny kabary ny omaly. Fotoana nanatontosana ny fifidianana izay hitantana ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany, manomboka izao. Nandritra ny Zaikabe faha-6 nifarana omaly, tany Mahajanga no nanatanterahina ny fifidianana izay ho filoha hitondra ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany. Fi­renena 31 no nahitana […]