« Iza no mpanakanto tian’ny mpihaino hiaka-tsehatra? » Izay no fanontaniana napetraky ny onjampeo RDJ 96.6 tamin’ireo mpanaraka azy ho fanamarihana ny faha-23 taonany. Nisongadina tamin’ny maro ny anaran’ny mpanakanto efatra: i Shyn, Denise, L Jo ary i Ceasar. « Efa samy mpanakanton’ny taona tamin’ireo Rdj Mozika avokoa ireo, ka mazava be ny […]
kolon-tsaina
Mba hampitoetra ny hasina: Mila fanarenana goavana ny kabary
Kolontsaina, fomba amam-panao, zavakanto, fanabeazana, soatoavina, teny, sns, samy voarakitra ao anatin’ny kabary avokoa. Ireo ihany koa no itoeran’ny hasina. Izay no nahatonga ny Ntaolo tsy hikabary raha mbola tsy anti-panahy sy nandalo ireo ambaratongam-panabeazana (angano, ankifidy, ankamantatra…) ananan’ny Malagasy. Lesoka goavana be ho an’ny kabary ankehitriny io. Mpikabary malama […]
« Miss Monde 2026 »: Tsy hanana solontena i Madagasikara
Efa mifantoka amin’ny andiany 2027 ny komity mpikarakara ny Miss Madagascar. Miantso mpikarakara matihanina handray an-tanana ny fahalavorarian’izany izy ireo. Maka bahana ho an’ny tsara kokoa. Herinandro vitsivitsy mialoha an’ilay hetsika goavana sy iraisam-pirenena “Miss Monde 2026”, nanao fanambarana ny komity mpikarara ny “Miss Madagascar”, fa tsy hanana solontena ny […]
TARATRY ny KANTO
Hitodi-doha eto an-tanindrazana ny Vetso Réunion. Hanatanteraka seho tokana eto Madagasikara izy ireo, ny 12 desambra izao, ao amin’ny CC Esca Antanimena. Holalaovin-dry zareo eny an-tsehatra ilay « comédie musicale » nampitondraina ny lohateny « Volan’Ambatovinaky » izay ahenoina sy ahitana kalon’ny fahiny bagasy manontolo. Tantara tsangana amin’ny fiteny malagasy. Ravahin’ny hairahan’ny ankehitriny, tahaka […]
« Jazz@Tohatohabato » : Omena sehatra kokoa ny Jazz Club CGM
Hotanterahina ny 5 aogositra ka hatramin’ny 9 aogositra izao ilay hetsika lehibe «Jazz@Tohatohabato», fanao isaky ny fotoam-pialantsasatra lehiben’ny mpianatra tahaka izao. Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity taona ity ny fanamafisana ny fifandraisana, fifanakalozana eo amin’ny samy tontolon’ny kolontsaina. Eo koa ny fanomezan-danja ny toerana manan-tantara an-tanàn-dehibe. Hiavaka ny seho «Grande scène», […]




