Tafiditra ao anatin’ny fampahafantarana sy fampitiavana ny mozika klasika iantsorohan’ny Madagascar Mozarteum, hanatanteraka seho lehibe ny Sehatra mpiangaly mozika ao amin’ny Anglikana (SMMA) ny 20 septambra, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, eny amin’ny Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro. Seho lehibe, satria, nofantenan-dry zareo manokana ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika klasika maneran-tany. Anisan’izany […]
kolon-tsaina
« Malgasy Design Gaze 2026 »: sehatra ho an’ny forona malagasy
Maro ny manan-talenta sy aingampanahy amin’ny tontolon’ny « design» eto Madagasikara. Ny fampivadiana ny hairaha maoderina amin’ny talenta sy aingampanahin’ny mpamorona no tena hasongadina. «Re Dessin, Re Dessein ». Izay no lohahevitry ny andiany voalohany amin’ny hetsika « Malagasy Design Gaze 2026 », hotontosaina ny 19 septamba hatramin’ny 2 oktobra ho avy izao. […]
Fanabeazana sy fampianarana: tsy tokony hiankindoha amin’ny vahiny
Raha te hanarina an’i Madagasikara, ny fanabeazana sy ny fampianarana no mila hasiam-panitsiana. Marobe ireo taranja sy zana-taranja mila haverina. Vaky boky, fanabeazana ho olom-banona, fampiasana ny teny malagasy ho teny hoenti-manabe sy mampianatra, sns. Ao ihany koa ireo tokony hatsofoka. Fampianarana ireo fomba amam-panao sy ireo rehetra mifandraika amin’izany. […]
Hatsikana Hisedra sehatra irery i Godar
Mihetsika ny tontolon’ny hatsikana. Mipoitra ireo manan-talenta, toa an’i Godar, vonona hitsapa mpankafy. Misy ary maro ny mpanao hatsikana misondrotra izao. Iray amin’ireny Andriampita Miranto, fantatra kokoa amin’ny hoe Godard. Efa tsikaritra tamina seho niarahana mpanao hatsikana maromaro, toy ny «Festival Jôkossô» izy. Fantatra kosa izao fa mitohy miakatra ny […]
Urban Flow Festival: nampietsim-po ireo dihy an-tanàn-dehibe
Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro, teo amin’ny Parvis Analakely, ny hetsika kolontsaina an-tanàn-dehibe, “Urban Flow Festival”. Ho an’ny dihy an-tanàn-dehibe, “Urban Dance”, izay karakarain’ny Bboy Bgirl Malagasy (BBM), azo lazaina fa nahomby ny hetsika. Maro ny ankizy tonga nandray anjara sy naneho ny talentany tamin’ izany, izay nahatratra 310 mahery teo. […]





