kolon-tsaina

Hiragasy: nitondra hira vaovao ry Rasoalalao Kavia

Anisan’ireo tropy samy kalaza no nifanandrina, omaly. Ry Rasoalalao Kavia, izay nanamarika ny faha-35 taonany an-tsehatra sy ny Rapaulson. Samy nitondra hira vaovao izy ireo. Vao maraina dia efa hipoka olona tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Ma­hamasina. Mpankafy tonga nanatrika ny adin-kiragasy goavana tao amin’io toerana io ireo. Niavaka kely tamin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Feno 21 taona ny RDJ. Niavaka kely ny nanamarihan’ny Onjampeon’ny tanora izany, satria nivoaka ny efitrano fitenenana ka natao nivantana avy teny amin’ny La City Ivandry avokoa ny fandaharana rehetra, nanomboka tamin’ny «Rivotra» vao maraina. Nanaraka avy eo ny «Mastermixx», «Cool time», «Zany ve dia tsy hay ?», sns. Mazava loatra […]

“Fangaro 2024”: seho vaovao no hasehon’ireo mpianatry ny “Théâtre Kala”

Anisan’ny nahafantarana ny Théâtre Kala ny “Fangaro”. Hetsika fanaon’ny sekoly isan-taona izy ity ho fanehoana ny famoronana nataon’ny mpianatra isan-tsokajiny. Tanterahina anio, eny amin’ny Havoria Anosy, ny “Fangaro 2024”, iarahana amin’ny Théatre Kala. Fampisehoana dihy sy filatroana ny asa famoronan’ ny mpianatra dihy eo anivon’ ny Théatre Kala no ho […]

TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Hernan Rivelo… Io ny solon’ anarana nentiny teo amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety, nikirakirany ny vaovaon’ny kolontsaina nandritra ny taona maro. Efa nandalo tao amin’ny gazety Express de Madagascar, ny Hebdo ary ny Madagascar Matin izy. Efa nanoratra tononkira ho an’ny mozika rock ihany koa, raha ny nambaran’ireo namany. Piment […]

“Festival du Film Coréen 2024”: mitohy hatrany ny fampivelarana ny zavakanto koreanina

Tanterahina anio sy raham­­pitso, eny amin’ny Cinepax Ambodivona, ny fankalazana ny « Festival du Film Coréen 2024 ». Ny masoivohon’ny Korea no mikarakara ny he­tsika amin’izao iray volan’ny zavakanto sy kolontsaina ko­reanina izao. Tanjona ny hampivelarana ny zavakanto koreanina, indrindra ny horonantsary. Mandritra ny roa andron’ny fankalazana, horonantsary koreanina samihafa, natao […]