kolon-tsaina

« Angaredona Mozika Festival »: Handrasan’ Ambohimanga i Rossy

Ivon’ny hetsika « Angaredona Mozika Festival » ity faran’ny herinandro ity. Anio sy rahampitso mantsy ny fampisehoana goavana hotontosaina eny amin’ny Kianja Ankadivory, Ambo­himanga Rova. Anisan’ny andrasana amin’ity andiany faha-19 ity ny tarika Rossy, izay sambany handray anjara amin’ny « Angaredona ». Ry zareo no hamarana ny seho ny alahady, hitondra ny tapolaka sy […]

« Festival Jokosso » andiany fahadimy: Homena laka ireo tanora mpanao hatsikana

Seha-kanto iray manomboka miroborobo ny hatsikana. Nanana ny anjara birikiny tamin’izany ny « Festival Jokosso », izay ifarimbonan’ireo mpanao hatsikana na efa malaza na vao misondrotra. Manana ny hetsika azy manokana ny hatsikana eto Madagasikara. Hiditra amin’ny andiany faha-5 sahady mantsy ny « Festival Jokosso », amin’ity. Hatao mandritra ny roa herinandro izany, ny […]

TARATRY ny KANTO

Satria, iray ihany ny tanindrazana (Mada­gasikara), dia iray ihany ny Malagasy. Fa, mety ho samy hafa ny kolosaina sy ny kolontsaina ary ny fomba amam-panao. Samy manana ny azy. Io no anisan’ny mampiavaka ny Malagasy sy i Madagasikara. Faritra na toerana mifanakaiky, kanefa, ahitana fahasamihafana eo amin’ ireo lafiny ireo. […]

Madajazzcar Festival: Manatsara ny fahaiza-mamorona ny « Tremplin »

Anisan’ny mampiavaka ity andiany faha-36 amin’ny « Madajazzcar Festival » ity ny fitomboan’ny isan’ny tanàn-dehibe hanatanterahana izany. Nomena lanja lehibe ao anatin’ny fiofanana kosa ny fitsinjovana ny hoavy manaraka tahaka ny famoronana. Ny 15 septambra teo no nanomboka ny «Trem­plin Madajazzcar» ho an’Antananarivo. Ny 17 septambra ny tany Antsirabe. Hanomboka […]