Tafahaona ary hiaraka an-tsehatra indray. Samy naneho ny fihetseham-pony, noho izay taona maro tsy nihaonana izay, ireo mpanakanto handray anjara amin’ny “Generation 2000’s” amin’ity. “Tsy hisy hira vaovao mihitsy fa ireo hira nanamarika tamin’ izany andro izany ihany no haverina eo”. Sady fampanantenana io no fanamafisana ny lalantsain’ny hetsika “Generation […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Nodimandry i Glita Raze, na i Germain. Mpitendry gitara nanaraka tarika maro izy. Anisan’ireny ny tarika Radama Antoine sy ny tarika Firmin. Teo amin’ny tontolon’ ny fampandihizana no tena nahafantarana an-dRaze, ary izy no anisan’ireo mpitendry naharitra indrindra tao amin’ ny Nambints’Orchestra. “Iray volan’ny sary hosodoko”. Nitohy teny amin’ ny […]
CGM Analakely : holalaovina an-tsehatra « Ilay raiko izay tsy nananako »
Anisan’ny singa manabe sy mitaiza ary ahafahana maneho hevitra ny zavakanto. Izany indrindra no hoentina ao anatin’ny teatra “Ilay raiko izay tsy nananako”, mandritra ny hetsiky ny Iza. Hiaka-tsehatra eny amin’ ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny tolakandron’ny 20 jolay 2024, ny mpikambana eo anivon’ny fikambanana Ilay Zanaka Adala (Iza). […]
Fiverenana amin’ny fototra : mila mitandrina ny mpanakanto
Ny talenta samy manana. Niezaka nanasongadina ny azy ny mpanakanto ka naka tsy satry ny toeran’ny mpanabe. Io antony lehibe io no mitaky fitandremana fatratra ho azy ireo (mpanakanto). Tsy tokony hijanona eo amin’ny endrika ivelany fotsiny ny fiverenana eny an-doharano fa mila manasongadina ny fototra izy ireo. Mila maneho […]
Mandalo eto an-tanindrazana: hihaona amin’ireo mpankafy azy i Joy K
Taona maro izay no nila ravinahitra any ivelany i Joy K. Mandalo ary hanao fampisehoana eto kosa ity mpanakanto ity amin’izao. Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy! Misy andro roa natokan’i Joy K hihaonana amin’ireo mpankafy azy, mandritra izao fandalovany an-tanindrazana izao. Nigadona omaly, miaraka amin’ ny vady aman-janany ity mpanakanto […]