kolon-tsaina

Jazz@Tohatohabato : Omena lanja ny « improvisation »

Anisan’ny endrika iray mampiavaka ny jazz ny fanaovana sy fahaizana ny « improvisation ». Ho an’ity « Jazz@Tohato­ha­bato » andiany faha-14 ity, omena lanja izy io. Efa nisy ny fiofanana notanterahina ny alatsinainy 4 aogositra teo. Hitohy, anio, manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Iarivo Art & Music Academy […]

Tsy nisy nandritra ny 6 taona… : Hiverina indray ny “Star Tour Majunga”

Voakasiky ny hetsika na ny tompontany na ireo mpiala sasatra. Hiverina ary haharitra 3 andro misesy ny “Star Tour 2025” ao Mahajanga. Tsy hiova kosa ny endriny. “Star Tour Majunga 2025: hoan’ny mpianakavy”. Nampahafanta­rina omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Star Andraharo, ny andinin­dininy momba ny hetsika. Hotontosaina ny 15, 16 ary […]

TARATRY ny KANTO

Nahazo boky miisa 27, avy amin’ny japoney ny Tranombokim-pirenena malagasy. Hanampy isa ireo boky ao amin’ny tahala ho an’ireo firenen-kafa, ao Anosy izany. Hanampy betsaka ireo mpikaroka, mpianatra na mpampianatra, amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Efa nanomboka ny taona 2021 no tafiditra ho anisan’ireo firenena hampahafantarina ao amin’ity tahalan’ny Tranombokim-pirenena malagasy […]

« Misia ny Mazava »: Seho fiomanana ho an’ny Voice of God

“Misia ny mazava. Teny mahafehy ny antom-pisianay sy iraka mafy ato am-ponay. Antso hamelona fanantenana indray”, hoy ny fanambarana ao amin’ny pejin’ny Voice of God na Vog. Antony nisafidianan’izy ireo ny lohahevitra hanompanana ny fampisehoana izay hotontosain’ny Vog ny sabotsy 9 aogositra izao izany, manomboka amin’ny 5 ora hariva, eny […]