Tian’izy ireo ny mozika rock. Tiany ihany koa ny misary adala eny an-tsehatra. Taona maro anefa no tsy nisy izany, ka tena fotoan-dehibe ny alin’ny sabotsy teo ho an-dry Ikala. Fotoana nahitana an-tsehatra indray an’i Ampelagie sy i Marie Jeanne, tetsy amin’ny Kudeta Urban Club. Nihamatotra? Niverina tamin’ny fitiavany taloha […]
kolon-tsaina
Tarika Telofangady : mampiaina hatrany ny mozika tena malagasy !
Ilay mozika misy fototra, misy fanahy tena Malagasy? Angadin’ny Telofangady izany. Noporofoin’ny tarika indray omaly, fa miaina ary manana ny hoaviny ny sanganasan’izy ireo. “Gasikara” no tena nahafantaran’ny maro ny tarika Telofangady… Nametraka ny lazany, saingy efa nihoaran-dry Haja sy ny tariny efa ela anefa izay. Efa “Gasikara 4” aza […]
Ny Ainga- 30 taona: mitohy ny lalana na misy fiovana kely aza
Tontosa omaly, teny Antsahamanitra, ny fampisehoana niarahana tamin’ny tarika Ny Ainga. Niezaka nampiseho ny naha izy azy ihany izy ireo na dia teo aza ny fahalasanana sy ny fiovan’ny mpikambana sasany eo anivon’ny tarika. Nandritra izany fampisehoana izany no nahitana ireo feo vaovao mikalo ny hira nahafantarana ny tarika Ny […]
Kianja Barea : Matihanina sy avo lenta ny seho natolotry ny tarika ‘Zay
«Samy te». Io no lohatenin’ny fampisehoana nataon’ny tarika ‘Zay. Tetikasa izay anisan’ireo mbola novolavolain’i Nary, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny tarika. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny «Samy te». Fampisehoana niarahana tamin’ny tarika ‘Zay, anisan’ny nentina nanamarihina ny faha-28 taon’ny tarika. Seho niavaka sy matihanina […]
Kolontsaina sy fanabeazana: miverina sy mivelatra ny Zanabaliha
Anisan’ireo foibe fikarohana sy fanabeazana ary fampianarana momba ny kolontsaina malagasy, ela niorenana ny Zanabaliha. Nisy fotoana niova endrika izy io. Ankehitriny, miverina amin’ny nahalalana azy ary mivelatra amin’ny lafiny hafa… Tany amin’ny taona 1980 no efa nanomboka ny dinika hoenti-mamerina indray ny Malagasy hiaina ny kolontsainy. Nifanindran-dalana tamin’izany, efa […]