Samy manezaka amin’izay heveriny fa tandrify azy ny rehetra… Miavaka, anefa, ny tontolon’ny zava-panahy. Mihazakazaka fatratra ny fitomboan’ny isan’ny mpampianatra azy io. Tranga anisan’ny manamarika ny fiverenana any amin’ny fototra? Antony hafa ihany koa, anefa, ny fiovana eo amin’ny fiarahamonina malagasy. Fahasahiranan’ny Malagasy, nahatonga azy hiantsampy, etsy sy eroa. Amin’io […]
kolon-tsaina
“Intervision 2025”: Tsara toerana i Denise sy D-lain
Tsy mena-mitaha amin’ny hafa. Tsy vitan’izay fa anisan’ireo atahoran’ireo mpifaninana aminy i Denise sy D-Lain, izay mandray anjara amin’ilay fifaninanan-kira “Intervision 2025”, any Russie. “Tiako hanjeky”. Io ilay fampiaraham-peon’i D-Lain sy i Denise, izay notsongaina manokana tamin’ireo maro nifaninana, satria naharesy lahatra ireo mpikarakara ny “Intervision 2025”. Fifaninanan-kira avo lenta […]
TARATRY ny KANTO
Rahampitso, etsy amin’ny Foiben’ny Arsivam-pirenena malagasy Tsaralalàna, no hanatanterahina ilay velakevitra lehibe momba ny lanjan’ny tahiry voaangona nandritra ny vanim-potoanan’ny faha-mpanjaka. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-16 taonan’ny « Mémoire du Monde » eo anivon’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina na Unesco. Anisan’ny nasaina manokana […]
Fiovana paikady : Ny mpanakanto no mizaka ny kajikajy
Taona 1950 hatramin’ny taona 1960. Tsy nampaninona an-dry zareo vahiny, indrindra fa ny Eorôpeanina ny nanafatra tarika mpihira na mpanao vakodrazana iray manontolo avy aty Madagasikara. 25 na maherin’ny 30 aza ny isan’ny mpikambana tao anatin’ny tarika iray. Taona 1960 – taona 1972, voatazona ny isa, sady, vao mainka nitombo […]
« Festival Tsakaraka » : Reharehan’i Vohemar
Manana ny hetsika ara-javakanto sy ara-toekarena mampiavaka azy avokoa ny distrika rehetra. Tsy ambaka an’izany koa i Vohémar, anatin’ny Faritra Sava. Izy aza no manana ny « Festival » ara-kolontsaina izay anisan’ny zokiny indrindra, satria efa tamin’ny taona 1999 no nisy. Hotontosaina ny 14 hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao […]




