kolon-tsaina

Arikaomsa Randria : «Mila omena lanjany eo amin’ny fanabeazana ny angano sy poezia»

Fantatra kokoa ny feony noho ny endriny. Heno matetika amina tantara an’onjampeo i Arikaomsa Randria. Milomano anatin’ny literatiora tanteraka anefa izy, ary nisolo tena ireo mpisehatra nandritra ny « Fetin’ny angano sy ny poezia », omaly. Endri-panabeazana anisan’ny tranainy indrindra teto Madagasikara ny angano. Nomarihina omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny angano. […]

« Tsy manan-kialofana » : fohazin’i Ashiko ny sain’ny mpijery

Hosodoko anatina fafana folo, maneho ny lohahevitra « Tsy manan-kialofana » no namoahan’i Ashiko Ratovo ny aingam-panahiny, etsy amin’ny Institut Français de Mada­gas­car (IFM) Analakely. Raha haravona ho iray, fohazin’ity mpiangaly ny haikanton’ny ankehitriny ity ny saina amam-panahin’ireo mpitsidika. Ny fahitany ny endrika asehon’ny « Tsy manan-kialofana » eo amin’ny fiarahamonina no arantiny amin’ny […]

“Fianara Reggae Festival”: miditra amin’ny andiany fahasivy ny hetsika

Miditra amin’ny andiany fahasivy ny “Fianara Reggae Festival”. Hiavaka ity andiany ity, noho ny fana­tsarana entin’ny mpikarakara. Tanterahina ny 29 hatramin’ny 31 marsa 2024, ao amin’ny Alliance Fran­çaise Fianarantsoa, ny « Fianara Reggae Festival », andiany fahasivy. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ity gadona ity eto Madagasikara izany. Tanjona ny hampiroborobo ny Reggae any amin’ny […]

Literatiora am-bava: miha miverina ny hasin’ny teatra malagasy

Anisan’ny mankalaza ny Iray volan’ny teatra isika eto Madagasikara. Maro ireo ivontoeran’ny kolontsaina no mampiantrano sy manatan­teraka izany. Anisan’izany ny eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Anala­kely, amin’ny alalan’ny « Festival Temps Fort Théâtre ». Maro ny hetsika saingy tokana ihany ny tanjona dia ny hamerenana ny hasina sy ny maha […]