kolon-tsaina

Lilie sy Felaniary: raikitra ny «Takarivam-pifaliana»

Sady fifampiarahabana tratry ny taona 2024 no anisan’ny fanohizana ny fanafanana lanonana tanterahin’i Lilie sy Felaniary, any ivelany. Hanatontosa «Takarivam-pifaliana» Taombaovao 2024 any Toulouse izy ireo, anio, amin’ny 8ora alina (ora any an-toerana). Fampiaraham-peo tsy zoviana ho an’ny mpitia zavakanto. Anisan’ny andrasan’ny Malagasy maro monina any an-toerana sy ny manodidina, […]

Atrikasa fanoratana : ankizy no tilina handray anjara amin’ny hetsika

Manampy amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny ankizy ny fiseharany eo amin’ny haikanto. Anisan’ny antony nahatonga ny mpikarakara hanatontosa ny hetsika izany, ankoatry ny fahatsapana ny zava-misy eo amin’ny fanoratana asa soratra ankehitriny. Tanterahina manomboka amin’ity volana janoary 2024 ity, eny amin’ny Intsitut français de Madagas­car (IFM) Analakely, ny atrikasa mahakasika […]

Musée de la Photographie: misy ny fampahafantarana ny « Ringa »

Nisokatra nanomboka omaly, teny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana « Lutteurs Ba­ra ». Seho ranty ahitana sary pika miisa 15 izy ity. Mam­piseho ny mpiangaly ny haiady fanao tany amin’ny foko Bara, tany amin’ny taona 1938 hatramin’ny 1965. To­hin’ny hetsika « Voyage en pays Bara et Vezo » ity atao ity […]

Kalon’ny fahiny : mitondra fahendrena ho an’ny mpihaino ny tononkira

Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny fivorian’ny sokajy haikanto sy hailaza. Anisan’ny nodinihina, nandritra izany, ny mahakasika ny « fanahy ao amin’ny kalo fahiny sy ny hiran’ny omaly ». Lohahevitra nentin-dRa­nai­voson Lucien, avy ao amin’ny Radio Feon’Ime­rina. Hamaritana ny kalon’ny fahiny ireo hira natao tao anaty teatra. Misy hifandraisany amin’ny tantara […]