Ankalazaina ny 21 sy 22 jona izao, eto Antananarivo, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mozika. Hiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity satria mandritra ny roa andro sy amin’ny toerana roa samy hafa no hanaovana izany. Hotanterahina etsy amin’ ny Alliance francaise d’Antananarivo (AFT) Andavamamba ny andro voalohan’ny hetsika. Hatao eny […]
kolon-tsaina
“Star Tour” Antananarivo : mpanakanto maro no hanafana ny Coliseum
Eny amin’ny Coliseum no hanatontosana ny “Star Tour” andiany faharoa amin’ity taona ity. Notsongaina manokana ireo mpanakanto hanafana izany. Mpanakanto heverina fa mamaly ny filan’ny mpankafy amin’izao fotoana. Ireo no notsongaina hanafana ny “Star Tour” eto Antananarivo, izay andiany faharoa amin’ny hetsika amin’ ity taona ity. Hotontosaina ny 21, 22 […]
Ankohonana malagasy : ikaky no loham-pianakaviana
Rahampitso no voalaza fa hanamarihana ny « Fetin’ny ray ». Na nisy io na tsia, ho an’ny ankohonana malagasy, Ikaky no lohan’ny fianakaviana. Ineny kosa no tompon’ny tokantrano. Amin’ny maha lohany azy, mandalo eo anatrehany avokoa ny momba ny tokantranony. Na tsy miresaka mivantana amin’ireo menaky ny ainy aza izy, fantany amin’ny […]
Fiangonana Anglikanina : hiavaka ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Mpanentana
Tanterahina eny amin’ny Esca Antanimena, ny 21 jona 2024, ny «Messe Fiderana», hankalazana ny faha-20 taonan’ny Sampana Mpanentana, eo anivon’ny fiangonana Anglikanina Avaratranjoma. Hiavaka ity hetsika ity, araka ny nambaran’ny mpikarakara satria ity « Messe Fiderana » ity no lamesa malagasy faharoa, nosoratana amin’ny gadona malagasy. Tanjona ny hananana gadona tena malagasy, […]
TARATRY ny KANTO
Kiaka etsy amin’ny Piment Café Behoririka. “Hifandao indray” ny lohatenin’ity seho anio alina ity. Hifandao vetivety ny marimarina kokoa, satria hitodi-doha ho any ivelany indray i Johnny, iray amin’ireo mpikambana. Fotoana iarahana sy hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy tsy afaka tamin’ireo seho nifanesy nataon’ny tarika Kiaka teo izany. “Generation 2000” – […]