kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Doda Batteur, na Razafitiana Gabriel. Mpively ampongamaroanaka, nanaraka tarika maro izy. Anisan’ireny ny tarika Samoëla, ZMG, Zaref, Majeur 7, Niraina, Théo Rakotovao, Lôla, Dat’Kôtry, Kimil, Oladad, Kobaha, sns. Teknisianina momba ny feo ihany koa izy, ary efa niasa naharitra tao amin’ny Be Mozik. Hisy ny fiaretan-tory ao Beravina […]

Fotoam-pialantsasatra tery vay manta: Mitobaka etsy sy eroa ny fampianarana zavakanto

Ampahany vitsy amin’ny mpianatra sisa no mamita ny taom-pianarana 2024-2025. Saika efa ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra ny ankama­roany. Manomboka hita etsy sy eroa ny fampianarana zava­­kanto ao anatin’io vanim-potoana io. Tsara ny voataiza miaraka amin’ny zavakanto, saingy ratsy ny fanaovana tery vay manta. Ao anatin’ny 2 vo­lana latsaka, hahay mi­tendry zavamaneno […]

OIF : Hiverina ny fanohanana ireo “festivals” isam-paritra

Anisan’ny mpanohana ireo hetsika ara-kolontsaina marolafy eto ny Fikambanan’ny firenena mampiasa ny teny frantsay (OIF). Hiverina indray izany, ary hahakasika sehatra maro. Vaovao tsara ho an’ny tontolon’ny kolontsaina eto Madagasikara. Hive­­rina ireo fanohanana hataon’ ny Fikambanan’ny firenena mampiasa ny teny frantsay, na OIF. Fantatra izany nandritra ny fitsidihana nataon’ny ma­soivoho […]

TARATRY ny KANTO

Mitoetra ny lazan’ny tarika Iraimbilanja. Feno hipoka ny Food Courts La City ny alin’ny zoma teo. Porofo indray iny fa mbola be mpankafy ry Niry sy ny tariny, ary tsy mbola ho ato ho ato no ho lefy izany. Nahitana karazan-taona tsinona, fa tsy hoe ireo mitovy taona amin-dry zalahy […]

Misaona ny hiragasy: Nodimandry i Zozy, Sahondrafinina zanany

Maloka indray ny tontolon’ny hiragasy… Nodimandry ny sabotsy teo, teo amin’ny faha – 67 taonany, Raza­findranaivo Sahondrafinina, na i Zozy, ho an’ireo akaiky azy. Filohan’ny tropy Sahon­drafinina Zanany Fenoarivo no nahafantaran’ny maro azy, zanakavavimatoan’i Sahon­dra­finina Reniny, vady navelan-dRa-Petit avy ao Ando­havary, izay filohan’ny federasion’ny mpanao hiragasy eto Madagasikara teo aloha […]