kolon-tsaina

Fanamarihana andro maneran-tany: hampiarahina ny « Fetin’ny angano sy ny poezia »

Misy hatrany ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny angano sy poezia, isan-taona. Hiavaka kokoa satria hatambatra ny fankalazana amin’ity, ary manerana an’ i Madagasikara izany. Andro maneran-tany ho an’ny angano ny 20 marsa. Andro maneran-tany ho an’ny poezia kosa ny 21 marsa. Roa andro misesy, natokan’ny Unesco hanandratana ny literatiora. […]

CCEsca : fahombiazana hatrany ny fampisehoan’i Niu Raza

Tontosa omaly, teny amin’ ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana niarahana ta­min’i Niu Raza, ao anatin’izao fandalovany eto Madagasi­kara izao. Sahala amin’ny efa niarahana tamin’ity mpanakanto ity hatramin’izay. Hafa sy nahafa-po, indrindra ny mpankafy, hatrany ny fampisehoana nataony. Vitan’i Niu Raza ny manome fahafaham-po ny mpanaraka azy, tamin’ny alalan’ny seho amin’ny […]

Viavy Film Festival : lasan’i Nya Rafali ny amboara “Tresse d’or”

Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny lanonana nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny valin’ny fifaninanana “Viavy Film Festival”, andiany voalohany. Nya Rafali sy Rova Andriantsileferintsoa ary Mazigna Barros no nandrombaka ny amboara, nandritra izany. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, azo lazaina ho tratra ny tanjona tamin’ity andiany voalohany […]

Mitohy hatrany ny fampisehoana… : miezaka manohy ny « Revy Mahaleo » ny taranaka

Mbola mijoro manohy ny revy i Dama sy i Bekoto. Milahatra amin’izy mirahalahy eo ireo taranaka Mahaleo, sy ireo mpankafy manjohy hatrany. Nanakoako tetsy Antsahamanitra indray ireo hira tsy tontan’ny ela. Miezaka. Izay no tena mahafehy azy, raha hiresaka mahakasika ny «Revy Mahaleo», tetsy Antsahamanitra, omaly. Nie­zaka i Dama sy […]

Ady hiragasy Goavambe : hangotraka etsy amin’ny kianjan’ny Kanto

Hitalakotrokotroka ny etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina ! Ireo andrarezin’ny hiragasy no hifandona eny an-toerana, rahampitso tontolo andro. «Hiragasy Goavambe», hifanandrinan’ny tarika Ramilison Besigara Zanany avy any Fenoarivo sy Rasoalalao Kavia avy any Ampahimanga. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ny fifampitsapan’ny roa tonta! Tarika Ramilison Besi­gara, anisan’ny nahafantaran’ny olona maro […]