Miala sasatra ny mpianatra. Manao izay tiany hatao ? Raha ny tokony ho izy, tsy mifanalavitra amin’io. Saingy, maro ihany koa ny tsy afaka ataony. Iray amin’ireny ny kolontsaina sasany. Ny faniriana betsaka fa ny fanatanterahina, mbola tena sarotra. Ny hanatanteraka fialantsasatra iarahana, efa tena sarotra. Ny handeha hivoaka ny tanàna […]
kolon-tsaina
Fifaninanana « Tafan-gilita »: Hampitiavana indray ilay revy gilita
Tany amin’ny fiandohan’ny taona 80 tany no tena nahazo vahana ny « revy gilita ». Nisy fotoana nihalefy, ka tiana haverina indray izay fankafizana ny gitara izay, amin’ny alalan’ny fifaninanana sy ny « Festival Tafan-gilita ». «Tonga i Ledama nibako gilita e, gilita manjabe… » Maro no mahay io hiran’ny Lôlô sy ny tariny io, […]
TARATRY ny KANTO
Hetsika famoaham-boky nosoratan’i Gaëtan Andria. « Pao-droa » sady antsa tononkalo no hianoka ao anatin’ny teatra poetika. Seho hotanterahina ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny sabotsy 12 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hanatanteraka izany i Mamisa, Fahasoavana, Mariah, Fy, Ando, Wany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara ny taranja […]
Ranaivoson Lucien hitondra ny velakevitra : « Ny fanahin’ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly »
Efa nisy ilay notontosainy teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza… Hanohy izany velakevitra izany, Ranaivoson Lucien ka hiompana amin’ny fanahy anaty kalon’ny fahiny sy hiran’ny omaly ny lohahevitra. Tafiditra ao anatin’ny fanohizana sy fanatevenana izany. Hanatanteraka velakevitra lehibe nampitondraina ny lohahevitra « Ny fanahin’ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly », indray, Ranaivoson […]
Zoza Sahondrafinina Zanany : Nomena ny mari-boninahi-pirenena
Heni-boninahitra… Mendrika ka nosalorana ny mari-boninahi-pirenena, Officier de l’Ordre National Malagasy i Zoza Sahondrafinina Zanany, omaly. Fahavelony, efa nahazo ny Chevalier de l’ordre national Malagasy izy, ary nahazo ihany koa ny mari-boninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina. Ho fahatsiarovana ny zava-bitany teo amin’ny sehatry ny hiragasy no nanomezan’ny […]




