kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Hivoaka anio ny boky vaovao, « Hatsarana hafakely, nos jolies différences ». Nosoratan’i Valisoa izy ity, izay nohaingoan’i Owl Fens sary, ary navoakan’ny Éditions Karné. Maneho ny fahasamihafana anatin’ny fiarahamonina, izay mampiavaka ny tsirairay ka hanomezana fahatokisan-tena ny ankizy, izay natao hamaky azy ny boky. Hisy ny fihaonana amin’ny mpanoratra sy ny […]

Tontolon’ny dihy : Hifarana anio ny « Evasion Danse » III

Iray amin’ireo hetsika lehibe momba ny dihy tanterahina eto Madagasikara ny Festival Evasion Danse. Tamin’ity taona 2025 ity ny andiany faha-3 izay nahitana fifanakalozana, fampisehoana, fampiofanana, sns. Hifarana anio eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ny fandaharam-potoana. Hanom­boka amin’ny 2 ora ny fifaninanana ahitana an’ny Arangao « Kiry », Mad’Anim « Fruits des bois », […]

“Revirevy Mody Masoandro” : Hamerina sy hamelona ny vazo an-gitara

“Ambony tamboho” ny filazana azy taloha… Ireny revy ireny ihany no nentina nandritra ny “Revirevy mody masoandro”, ary nahitam-pahombiazana izany, ka hotohizana. Mahaleo, Lôlô sy ny tariny ary Samöela. Na­hoa­na moa no hanova, kanefa efa nahitam-pa­hombiazana ? Ireo ihany no notazomin’ny mpikarakara avy ao amin’ny Louvto Com­pa­ny, hanafana ny « Revirevy mody […]

TARATRY ny KANTO

“Kolosary”, sekoly hianarana ny sarimihetsika sy horonantsary eto Madagasikara. Tontosa omaly ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo matihanina amin’ny sarimihetsika, hanatontosana ity tetikasa ity. Handray mpianatra manodidina ny 150 any am-piandohany ny Kolosary ka haharitra 3 taona ny fiofanana isan’andiany. Anisan’ny tompon-kevitra amin’ity tetikasa ity […]

« Manal’azy vita Bacc »: Hanapoaka an’Antsahamanitra ny Olombelo Ricky

Hatao ny 25 jolay 2025 ho avy izao ao Antsahamanitra, ny fampisehoana goavana «Manal’azy vita Bacc» ataon’ny Olombelo Ricky. Toerana efa nahazatra ny mpankafy maro nifandimby, nisantarana ity hetsika fanaon’ity mpanakanto ity isan-taona ny ao an-toerana, nanomboka ny taona 90. Izay tsy mbola mety afaka ao am-pon’ny taranaka maro ni­fandimby. […]