kolon-tsaina

«Festival international du film d’animation»: nisongadina ny horonantsarimiaina «Ala fady»

Tanterahina ao Annecy-France , nanomboka ny 11 jo­na 2024 hatramin’ny 15 jona 2024, ny “Festival Interna­tio­nal du Film d’animation”. Mpamokatra sy mpanatontosa horonantsarimiaina maro ma­neran-tany no mandray anjara amin’ity hetsika ity. Anisan’ izany ny horonantsarimiaina « Ala fady », an’i Maneza, izay Malagasy mpanatontosa. Efa an-taonany maro no nisian’ny hetsika. Ankoatra ny fampivoarana […]

“Angano sy Mozika”: endri-panabeazana manakaiky ny ankizy

Izay mora raisin’ny ankizy no mahomby indrindra. Tratra ny tanjona tamin’ny “Angano sy Mozika”, endri-panabeazana iray voizina mandritra ny “Kilonga milalao”, any Antsirabe. Nambara hatramin’izay fa ny angano no endri-panabeazana nitaizan’ny Ntaolo ny ankizy. Teo ihany koa ny hira sy mozika, izay nifandovana nandritra ny vanim-potoana maro nifanesy. Koa naninona […]

Tarika Sahondrafinina Zanany: maty Rakotolava mpitendry lokanga

Misaona ny tontolon’ny Hiragasy noho ny voina nahazo ny tarika Sahondrafinina Za­nany. Niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo Ambohi­mitarona, lalam-pirenena voalohany, mialoha ny idirana an’i Miarinarivo, ny tarika Sahon­drafinina Zanany. Afakomaly hariva izy ireo no niharan’izany loza izany, rehefa avy nanao sehatra tao andrefan’ Arivo­nimamo ka handeha hamonjy sehatra any Bon­golava. Maty, vokatr’izany, […]

“Bollywood Glam Night”: Ho avy eto Madagasikara i Arjun

Mpanakanto indianina anisan’ny fanta-daza maneran-tany i Arjun. Fantatra fa ho avy manokana eto Madagasikara, hanafana ilay hetsika “Bolly­wood Glam Night”, izay hotontosaina ny 22 jona izao, etsy amin’ny Novotel Ivandry izy. “Hetsika hanomezan-danja ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Inde sy i Mada­gasikara izy ity. Fanombohana ihany fa manam-pikasana izahay ny […]