kolon-tsaina

« Mega live» : Hiray sehatra ao Mahamasina ireo ambasadaoron’ny Yas

Fampisehoana goavambe araka ny anarany no tanjona amin’ny « Mega live Yas ». Tarika malaza amin’izao fotoana avokoa ireo handray anjara. «Rahoviana no hisy fampisehoana iarahan’ireo ambasadaoron’ny Yas ireo ? » Fanontaniana nipetraka foana izay, isaky ny nisy fampahafantarana ireo mpanakanto voafidy ho ambasadaoron’ny Yas Madagascar. Efa noketrehina tao, ka voavaly ny fanontaniana ary […]

Hainahandro : Tafatsangana ny « Solidarité mignon »

Tafiditra ao anatin’ny ko­lontsaina sy zavakanto mampiavaka ny toerana na faritra na firenena iray ny hainahandro. Fantatra fa tafatsangana ny fikambanan’ny mpianatra hainahadro « Solidarité mig­non ». Sehatra ampivondronana ireo mpianatra nandalo tamin’ny fanofanana nomen’ny Chef Tsiry Razafima­monjy. Ankoatra ny fampianarana sy fifanakalozana amin’ny fahaiza-mahandro, eo amin’ny tsirairay, napetraka ho zava-dehibe ny […]

TARATRY ny KANTO

“Jazz Friday”’, miaraka amin’i Mitahiry sy i Dô Mee. Hatao ny zoma 11 jolay izao io, ao amin’ny Arbo­retum Ankorondrano, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Anjoria hitetezan’ireto mpanakanto ireto ireo hira nanamarika ny jazz, na vahiny na malagasy izany. Hisokatra ho an’ny mpankafy ny sehatra, na eo amin’ny fihirana na […]

Taom-pianarana 2025-2026: Ankilabao hatrany ny teny malagasy

Hiditra amin’ny taom-pianarana 2025-2026… Mbola tsy tafapetraka ny fampiasana ny teny malagasy ho teny hoenti-mampianatra. Tsy mbola misy didy na lalana na hitsivolana, sns, milaza izany. Ny fanambaran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina milaza fa « tsy misy firenena handroso avy amin’ny fampiasana ny tenin’ny hafa hoenti-manabe […]

25 taona an-tsehatra : Hisedra indray ny Lapan’ny fanatanjahantena i Tovo J’Hay

Nanaraka hatrany ve ireo mpankafy? Ho voavaly izay aorian’ny seho goavana homanin’i Tovo J’Hay. Ny azo antoka aloha, mbola tena milomano anatin’ny mozika izy. Ny taona 2009 no niaka-tsehatra irery farany tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina i Tovo J’Hay. Toy ny vao omaly ho an’ireo tena mpankafy, na dia efa […]