kolon-tsaina

Ambatomena Fianarantsoa : Nahazo Coliseum mahazaka mpijery 30 000 isa

Faharoa eto Madagasikara. Toerana fanaovan-danonana lehibe indrindra ao Matsiatra Ambony ny Coliseum ao Ambatomena. «Akory aby ». Hira nentin’ny tarika Jedy teny an-tsehatra no niarahabana ny rehetra tonga tao amin’ny Coli­seum vaovao tao Amba­to­mena Fianarantsoa, omaly. Fotoana nidiran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tao amin’ity toeram-pilanonana goavana indrindra ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony […]

TARATRY ny KANTO

Zandry Gasy sy Inah, eny amin’ny Pho Resto Ivato. Anio alina, manomboka amin’ny 8 ora ity fiarahana ity. Tsy vao voalohany, saingy be mpangataka hatrany izany. Fiarahana manontolo an-tsehatra mihitsy fa tsy tarika samy hafa akory. Ireo mpitendrin’ny Zandry Gasy ihany mantsy no hanaraka an’i Inah amin’ireo hirany amin’io. Ankoatra […]

Tantara an-tsehatra : Hifanesy ny seho hataon’ny tarika Iray Fy’Art

Hanao tohivakana! Hiaka-tsehatra eny Vontovorona, ao amin’ny foibe “Aumônerie Catholique universitaire – ACU” ny tarika Iray Fy’Art, ny alahady 6 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora. Hialo­havan’ny kerimesy, ny sabotsy izao, ny hetsika. Hitohy ho an’ny eto Antananarivo Re­nivohitra, ny alahady 13 jolay izao. Seho an-tsehatra hotanterahina ao amin’ny “Salle […]

Fiverenana any amin’ny fototra : Mpitari-bato vilam-bava ny raiamandreny

« Tsy misy firenena na iray aza ka handroso amin’ny alalan’ny kolontsain’ny hafa ». Io ny fanambarana nivoaka tao amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy fanabeazana. « Eny tompoko », hoy ny Malagasy, saingy… Saika samy ahitana raiamandreny na mpitarika any amin’ny isan-tsehatra rehetra. Ao an-tokantrano, ireo ray sy reny niteraka. Any […]

TARATRY ny KANTO

Tsy mahay manaja ny Malagasy? Omena zavatra tsara, manimba. Omena toerana « avo », miteniteny foana. Omena fahalalana ambony, manaotao foana… Niova tanteraka ny Malagasy? Io tranga io, angamba, no araraotin’ny sasany hipetrahany eo amin’ny toerana tsy sahaza azy… Tranga maneho tsy fanajana ny hafa ihany koa ny tahaka io […]