I Toky no mpihira vaovaon’ny tarika Mage 4. Sahirana tokoa tamin’ny fisafidianana izay handimby an’i Ken ireo mpikambana. Na dia samy manan-talenta avokoa aza ireo mpifaninana, nironan’ny safidy i Toky, izay zandrin’i Anthony Pazzapa. Tsy vaovao aminy ny hiran’ny Mage 4 sy ny gadona rock. Manana feo miavaka ihany koa […]
kolon-tsaina
“Iray volan’ny teny Malagasy”: hisy fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora 2024
Sokajy telo no hifaninanana amin’ity taona ity. Entanina ireo mpanoratra, na efa fanta-daza na tsia, mba handray anjara amin’ny “Fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora” 2024. “Ady amin’ny fanolanana eto Madagasikara”. “Fandrindrana fiainam-pianakaviana”. Ireo ny lohahevitra iompanan’ny “Fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora”, amin’ity taona ity. Nivoaka omaly ny andinindinin’ny fifaninanana, raha toa ka […]
Fi.Mpi.Ma – Volan’ny teny malagasy : nomena aina ny fomba, teny, kolontsaina
Ny faran’ny herinandro teo, tafiditra ao anatin’ny fanokafana ny hetsika ho fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Notanterahin’ny Fikambanan’ ny Mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany), teny amin’ny kianjan’Andohalo ilay hetsika lehibe namondronan’izy ireo ny fomba sy ny teny ary ny kolontsaina malagasy. Notsiahivina sy naverina ny kabary notontosain’ny mpanjaka Ranavalomanjaka, […]
TARATRY ny KANTO
Hamoaka boky « Kolontsaina sy Riba malagasy » Rabenandrasana Lalao François. Ankoatra ny maha mpanoratra azy, manome lanja lehibe ny fikarohana sy ny fandalinana momba ny kolontsaina malagasy i Nandrasana. Omena lanja amin’ny sanganasany ihany koa ny zaza sy ny ankizy hany ka boky maro ho fitaizana azy ireny no efa navoakany. « Dancing […]
« Zaza mifety » : nomena vahana ny atrikasa
Nosokafana ny sabotsy teo, tao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny fanokafana ny « Festival jeune public : Zaza mifety » andiany faharoa. Nomena vahana tamin’ity andro voalohany ity ny atrikasa. Anisan’izany ny fanamboarana fehin-tanana na « bracelet » amin’ny hoditra, niarahana tamin’i Lalaina Rakotoarinaivoson. Atrikasa ho fanatevenana ny fahaizan’ny zaza sy ny […]