Hotanterahina anio 25 jona, ao amin’ny fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, ny fitondrana am-bavaka ireo mpanala fanadinana sy vavaka ho an’ny tanindrazana. Hetsika fanao isan-taona, karakarain’ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF). Hiavaka ity andiany faha-23 ity, satria, handray anjara ny antoko mpihira Anjomaran’ny Fitiavana Tranovato Toamasina, tarihin’ny mpitandrina Barinarivo, filoha synodaly […]
kolon-tsaina
Avy nisehatra tany Antsiranana: nodimandry i Johnny Bass de Madagascar
Maloka indray ny tontolon’ny mozika malagasy. Andrarezin’ny tendry gitara, indrindra ny gitara beso no lavo. Lasa nametraka tantara i Johnny. Toy ny vara-datsaka ny vaovao, ho an’ireo akaiky azy. Nodimandry omaly maraina Zafimahery Johnny, fantatry maro amin’ny anarana hoe Johnny Bass de Madagascar. Araka ny fampitam-baovao voaray, avy nanatontosa fampisehoana […]
Bemasoandro: Hetsika koltoraly ho an’ny fandriampahalemana
Nandray ny ivon’ny fankalazana ny hetsika koltoraly sy iraisam-pinoana manan-tantara ho an’ny fandriampahalemana ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny sabotsy teo. Nokarakarain’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana (HWPL) sy ny UMMI Madagascar izany. Olana eto amin’ny firenena ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny ady tany, ny famonoana, ny herisetra isan-karazany… “Ilaina ny mivoy […]
Fampitiavana ny teny malagasy: ireo « mpampianatra » mihitsy no osa ?
Mbola ao anatin’ny iray volana natokana ho an’ny teny malagasy i Madagasikara. Taona-1 ka hatramin’ny Taona faha-12. Tafiditra ao anaty fandaharam-pianarana ny taranja malagasy. Manomboka maraina ka hatramin’ny hariva, teny malagasy no ifampiresahana… fa mbola tsy mahay teny malagasy ihany ny taranaka malagasy… Satria ireo « mpampianatra » (mpampianatra any an-tsekoly, ray […]
Pr Rakotondrajao Fanja: hamelabelatra momba ny sikidy sy ny tontolony
Tsy zava-maizina fa misy fanazavana. Misy fifandraisany amin’ny matematika, mety tsy voarain’ny rehetra kanefa tokony hianaran’ny rehetra ny sikidy. Mpampianatra mpikaroka izy. Manam-pahaizana manokana sy fanta-daza maneran-tany amin’ny matematika ny profesora Rakotondrajao Fanja. Ankoatra izay, nandalina manokana ny sikidy malagasy sy ny tontolony, ary efa namoaka voka-pikarohana mampifandray izany amin’ny […]




