Maro ny fifaninanana Slam avo lenta sy lehibe amin’ity taona 2024 ity. Hisy ny atrikasa sy fiofanana maro samihafa. Miisa telo ny hetsika lehibe miandry ny Madagaslam, amin’ity taona 2024 ity, araka ny nambaran’i Tajero, tomponandraikitra eo anivon’ity fikambanana mamondrona ny mpiangaly “Slam poèsie” eto Madagasikara ity. Voalohany, ny “Slam […]
kolon-tsaina
Ashiko Ratovo : « Mahafinaritra ny miaina sy mikaroka »
Ratovohery Toavina, mitondra ny anarana “Ashiko Ratovo”, amin’ny maha mpahay kanto azy. Malagasy tanora misehatra amin’ny fanaovana haikanto an-tsary, toy ny fanaovana sary tanana, ny hosodoko ary ny sary sokitra. Anisan’ny tena manavanana azy ny filalaovana lokorano. Efa hatramin’ny fahakeliny izy no liana tamin’ny haikanto sy ny fanaovana sary. Manodidina […]
fahatsiarovana : hisy ny hetsika ho an’i Ndrematoa
Hotanterahina ny 9 hatramin’ny 31 janoary 2024, eny amin’ ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny fampirantiana ho fanomezam-boninahitra sy hahatsiarovana an-dRandrianomenjanahary Dieu Donné na i Ndrematoa. Teo amin’ny sehatry ny fanaovana tantara an-tsary no tena nahafantaran’ny maro azy. Efa tomponandraikitra teo anivon’ny IFM Analakely. Ireo sanganasany fony fahavelony […]
SBG – Lydie Ratefiarison : « Hanamarika ny taona 2024 ny Redombe… »
Velona sy miaina ny Sehatra BaGasy. Nisy ny asa vita teo aloha, hotohizana izy ireny. Ao koa ireo mbola hotontosaina amin’ity taona 2024 ity. Hetsika telo lehibe no anisan’ny hanamarika ity taona 2024 ity ho an’ny Sehatra BaGasy (SBG), raha ny fanazavan’i Lydie Ratefiarison, filohan’ny fikambanana. Ao ny «Redombe bagasy», […]
“La nouvelle terre, Ilay tany vaovao”: mpahay kanto dimy no hanatontosa ny fampirantiana
Mandray anjara amin’ny fitaizana sy fanabeazana ho an’ny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa ny haikanto sy ny ivontoerana misehatra eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina. Hotanterahina ny 6 janoary 2024, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fampirantiana “La Nouvelle Terre, Ilay Tany Vaovao”. Mpahay kanto miisa dimy, samy manana […]




