Toy ny isan-taona, hisy ny « Antsam-piderana ho an’ny Firenena ». Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny Fahaleovantena izy ity. Natao indrindra hangataham-pitahiana ho an’ny firenena, hizarana ireo hira ara-pilazantsara amin’ny alalan’ny fampisehoana goavambe izany. Hotontosaina ny alahady 22 jona izao ny amin’ity, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hiavaka kokoa izany, satria nanasa […]
kolon-tsaina
« Fetin’ny Mozika »: Natao hampiray fo ny olombelona rehetra
Anjakan’ny ratsy ny tontolon’ny zanak’olombelona… Soa fa nisy ny mozika, iray amin’ireo mampitony izany. Mampiray, mampihavana, toy ny fiteny iraisan’izao tontolo izao. Izay ny lalan-tsaina voizina mandritra izany. 21 jona, natokana ho « Fetin’ny Mozika ». Tsy io anefa ny « Andro iraisam-pirenena na Andro maneran-tany ho an’ny mozika », fa tokony ny 1 oktobra. […]
TARATRY ny KANTO
Nisokatra nanomboka omaly ny “Podium” etsy Analakely. Nanokatra ny andiam-pampisehoana ireo tanora mpanakanto toa an-dry Chantal, L JO, Malm ary i Jazz MMC. Hanohy izany, anio, kosa ry Tempo Gaigy, Simonda, Bekasety ary Arione Joy. Isaky ny hariva ity fampisehoana maimaimpoana ity. “Festival Art Maro Foko”, eny Ambohipo. Haka endrika […]
« Concert classique de midi »: Hiaka-tsehatra Ny Feon’Analamanga
Hiavaka noho ny fahita hatramin’izay ny andiany faha-160 amin’ny «Concert classique de midi». Hahazo sehatra ny kalon’ny fahiny sy ny hira malagasy. Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny Cité des cultures Antaninarenina, ny talata 24 jona izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro ka hatramin’ny 2 ora tolakandro. «O! Ralila!», Dobla sento», «Sovenira», […]
« Eo an-tanako » : Seho roa miaraka amin’ny Lehilahy Midera FJKM Ambatonakanga
Tsy azo sarahina eo amin’ny tantaran’ny fiangonana kristianina ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hanamafy izany ilay seho miavaka hotanterahin’ny Lehilahy Midera, mpihira eo anivon’ny Sampana lehilahy kristianina. Amin’ny alahady 22 jona izao, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, no hanatanterahina ny «Eo an-tanako» na ilay seho lehibe karakarain’ny Lehilahy midera, mpihira ao […]




