Teo amin’ny laharana fahavalo no nisy an’i Andrianahy Zanadaory Joel Bastina, fantatra amin’ny anarana hoe Konahy Junior, nandritra ny fifaninanana “Africa Championship Online 2024”. Hiatrika ny fiadina ny ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny “Slam poèsie”, atao any Togo, ny volana novambra izao izy. Ny tarika Iraimbilanja indray no hanafana ny […]
kolon-tsaina
“Festival BD de Montréal”: mandray anjara amin’ny hetsika i Catmouse
Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 26 mey 2024, ao Montréal, Canada, ny “Festival BD de Montréal” (FBDM), andiany faha-13. Mpanao tantara an-tsary maro, avy amina firenena maro samihafa no mandray anjara sy maneho ny talentany ao anatin’izany. Ankoatra ny fihaonana amin’ireo mpanao tantara an-tsary kalaza, hetsika maro manodidina ny tantara an-tsary […]
« Dago Madness Beatz »: hanomezana sehatra ireo mpanakanto mahaleo tena
Ary raha homena sehatra lehibe ireo mozika tsy faheno matetika ? Iray amin’ireo tanjona amin’ny hetsika « Dago Madness Beatz » izany. Tosika ho an’ireo mpanakanto mahaleo tena ihany koa. Tsy ireo fandre matetika ihany ny mozika. Tsy ireo fahita an-tsehatra matetika ihany koa no mpanakanto. Fa izy ireo kosa aloha no malaza […]
Sehatra bagasy: vonona ny mpanao « Redombe »
Mahalana vao ahitana hetsika lehibe natokana ho an’ny bagasy ranoiray tahaka ity. « Redombe Bagasy », fampisehoana an-tsehatra hotontosaina ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny tolakandron’ny sabotsy 25 mey ho avy izao. « Vonona izahay. Fotoana ela rahateo no niomanana. Mpandray anjara maro no hiaka-tsehatra. Hira maro no hokaloina… », hoy i Jeannot Rasolondraibe, anisan’ny […]
35 taona niseharana: mandalo eto i Dj Dina
Iray amin’ireo mpikosoka kapila efa voky traikefa i Dj Dina. Efa an-taonany maro ihany koa no mila ravinahitra any Frantsa izy. Mandalo eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, ary nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ity mpikosoka kapila ity. “Manembona ireo fotoana niarahana teto ka hamerina kely izany”, hoy izy, tetsy amin’ny Oxygène, […]