kolon-tsaina

Akom-pahatsiarovana an’i Jerôme Randria : Nifamatotra akaiky ny mpijery sy ny mpanakanto

Mpanakanto samy nanana ny tany nitsimohany no namelona indray ny tsiahy ho an’i Jerôme Randria. Na izany, tsapa fa nahay nampiaina ireo hira noforoniny na nohirain’ity andrarezina ity izy ireo. Nanie, Nini (Kiaka), Inah, Thony Chriss (zanak’i Railôla) ary ny tarika Rai­lôla, nanafana ny sehatry ny CCEsca Antanimena, oma­ly tolakandro. […]

Fanabeazana sy kolontsaina: Tokony hanana angon-tahiry ny isan-tokantrano

Saika manana olana avokoa ny ankamaroan’ireo toerana natao hitahirizana sy mirakitra ny tantara, kolon­tsaina, taratasim-panjakana fahiny, tahirin-tsary fahizay, sns, eto Madagasikara, raha ny fantatra nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny arsiva. Ani­san’ny vahaolana hoenti-miatrika ireo ny tokony hananan’ ny isan-tokantrano ny tahiriny manokana (milaza ny momba ny tetiharana, […]

TARATRY ny KANTO

« Ilo sy Tsiky », antsan-tononkalo hotonto­saina ao amin’ny kolejy SFX Ambatomena Fiana­ran­tsoa, anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hizara ny sanganasany mandritra izany i Hasi-Noro, poeta mpikambana amin’ny Faribolana Sandratra Fianarantsoa. Havoaka mandritra izany ihany koa ny boky mirakitra ireo asa sorany. Aorian’izay, hotontosaina anio ny dingana famaranana an’ilay fifaninanana tononkalo […]

« Festival Fanilo »: Ho fanilon’ny kolontsaina eto Madagasikara

Hetsika ara-kolontsaina vaovao, saingy manana tanjona lavitra ezaka. Hampiakatra ny kolontsaina, hanokatra sy hampivelatra izany no kasain’ny « Festival Fanilo ». «Fetin’ny Mozika », hanomboka ny 21 jona ka hifarana mandritra ny Fetin’ny Faha­leovantena, ny 26 jona. Misy antony lehibe izany, ho an’ny andiany voalohany amin’ny « Festival Fanilo », izay hotontosaina eny amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

“Vendredi 13”, an’i Silo. Ny mpankafy rehetra efa mahalala fa fotoana ifanomezan’i Silo amin’ny mpankafy azy ny zoma faha-13, toy ny anio. Eny amin’ny Piment Café Behoririka ny fotoana, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Silo sy ny mozika, Silo hamerina ny SDF ary Silo hanome voninahitra ny Mahaleo no […]