Handray ny “Fetin’ny Mozika” ihany koa ny eny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, ny sabotsy 21 jona izao. Tarika 25 be izao no hifandimby manomboka amin’ny 10 ora maraina, hizara mozika maroloko ao. Misy amin’ireo no vao misandratra, misy koa ireo efa malaza sy matihanina. Hisy ny fandraisana anjara manokan’ny […]
kolon-tsaina
Na eo aza ny fanarahana vanim-potoana: Itoeran’ny fifanajana ny fanaovana fomba amam-panao
Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana fanatanterahana ireo fomba amam-panao, ankehitriny, ny fiarahamonina malagasy. Anisan’izany ny didimpoitra sy ny famadihana. Efa niova endrika tsy sahala amin’ny tany aloha izy ireny noho ny zava-misy samihafa. Io fiovana manaraka ny toetrandro io no mila fitandremana fatratra, satria, tsy tokony hanova ny fototra. Rehefa manao […]
“Festisôva » andiany faha-8 : Homena sehatra ireo mpisôva mpandimby
Mila homanina ny mpandimby mba tsy ho very ny kolontsaina. Mitodika any amin’ireo tanora mpanao vakisôva indray ny “Festisôva” andiany faha-8, amin’ity. Hisokatra amina sehatra hafa koa ny hetsika. 21 jona, “Fetin’ny mozika”. Nosafidiana manokana hanaovana ny “Festisôva” andiany faha-8 ihany koa io, eny amin’ ny Kianja basikety Andraisoro. Toy […]
Fampirantiana: Mampita hafatra maro ny « Carte blanche »
Nosokafana tao amin’ny « Maison social de l’art » (MSA) etsy Ambatovinaky, ny faran’ny herinandro teo, ilay hetsika kolontsaina nampitondraina ny lohateny « Carte blanche ». Tamin’ny alalan’ny sanganasany no nampitan’ireo mpanakanto mandray anjara ny hafatra ho an’ny rehetra. Anisan’izany ny saripika nalain’i Ampelagie maneho ny herim-po ananan’ny vehivavy. Vehivavy telo miaraka mitoto vary […]
Yvette Rabetafika : Nodimandry teo amin’ny faha-83
Misaona ny tontolon’ny fampianarana rehefa namoy ny ainy teo amin’ny faha-83 taonany i Yvette Rabetafika, omaly. Vehivavy voalohany nahazo ny mari-pahaizana ambony momba ny teny anglisy teto Madagasikara, tamin’ny taona 60, izy. Nampiavaka azy rahateo koa, ny nahavoatendry azy ho ambasadaoro teo anivon’ny Unesco. Niainga tamin’ny fampianarana teny anivon’ny Lycée […]




