kolon-tsaina

« London Design Festival 2025 » : Voaantso hampiranty ny sanganasany i Kiady Ratovoson

Tsy mena-mitaha ny vita malagasy. Efa miakatra ny tsena iraisam-pirenena ny forona malagasy, satria voaasa amin’ilay hetsika goavana sy malaza indrindra amin’ny « design » i Kiady Ratovoson. Mamirapiratra maneran-tany ny vita malagasy ! Porofon’izany, nasaina manokana handray anjara amin’ny «London Design Festi­val 2025» i Kiady Ratovoson. Hetsika malaza sy iraisam-pirenena hanasongadinana ny […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy hatrany ny hetsika manodidina ny jazz. Taorian’ny « Jazz@Tohatohabato », manome fotoana ireo mpakafy izany eny amin’ny Craam, Oniversiten’ Ankatso indray, anio manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny mpikarakara. Ny tarika Simy Nuée, ivondronan’ireo tanora hoavin’ny jazz eto Madagasikara, ampian’i Vazo Lee, zanak’i Silo izay efa manara-dia azy eo […]

Fifaninanana saripika : Hasongadina ny maha olona

Nikatona omaly ny fahafaha-mandray anjara amin’ilay fifaninanana saripika mahakasika ny maha olona. Hiditra amin’ny fisafidianana ireo ma­haresy lahatra azy ny mpitsara, manomboka anio hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao. Maro ireo mpaka sary liana tamin’ny fifaninanana, ary tsapa fa ny hanasongadina kokoa ny lohahevitra no nimasoan’izy ireo, na dia eo […]

Fialantsasatra : Miverina kely ny lalao malagasy

Misento tokana ireo raiamandreny… Mahafaly sy mahavelombolo mantsy ny mahita ireo hetsika isan-karazany, mamelona sy manome aina ary mampita amin’ny ankizy indray ireo lalao malagasy. Fotoam-pialantsasatra ho an’ny ankamaroan’ ny mpianatra izao, ka manam-potoana hahafantarana, hianarana ary hitiavana ireny karazan-dalao ireny izy ireo. Manana ny fandaharam-potoanany manome sehatra izany ireo […]

Kolontsaina any Amoron’i Mania : Homarihina ny faha-30 taonan’ny « Volambetohaka »

Niato an-taonany maro. Hiverina kosa amin’ity taona ity ny « Volambetohaka », hetsika ara-kolontsaina mampia­vaka an’Amoron’i Mania. Ho ambohi-pihaonana Ambositra. «Volana» sy «To­haka». Ireo no na­tamba­tra, nanome ny hoe « Volambetohaka ». Ny voalohany manondro fo­toana ary ny faharoa kosa midika hafaliana. Araka izany, fotoam-piravoravoana ny « Volambe­to­haka », izay […]