Vehivavy, Reny ! Ny Reny, mpanabe !… Nanatanteraka ny adidy sy ny andraikiny hatrany ny Reny hatramin’izay. Niova tsikelikely anefa izany taty aoriana. Fiovana niantraika tamin’ny taranany sy ny firenena manontolo ! Mijery tahirin-kevitra sy tahirin-tsary tany amin’ny taona 1958… Mahita ireo vehivavy malagasy, « mihaja », « manaja » ! Mihaja satria tsy mitsipaka ny kolontsaina sy […]
kolon-tsaina
Poun Green : hankalaza ny faha-40 taona an-tsehatra
Anisan’ireo andrarezina ! Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny rock malagasy ihany koa ny an’i Jimmy Poun Andrianiaina, na i Poum. Fantatra mantsy fa feno 40 taona amin’ity no niakarany an-tsehatra, ary tsy havela handalondalo foana izany. Mandritra ny taona ny fankalazana, ka hosokafana ny sabotsy 25 mey izao izany, manomboka […]
Afaka andro vitsy: hisongadina indray ny fisian’ny Reny
«Fetin’ny Reny », hono, ny 26 mey izao. Hotolorana fanomezana i Neny. Ny fihetsika sy ny fiteny, hatao izay mahafaly an’i Neny… Hisongadina indray ny fisian’ny Reny. Tsaroana ao anatin’ny ora maromaro ny adidy lehibe eo an-tsorony. Kitapo nifonosana, niankin-drindrina irery, nisotro ny rano tsy tiana, nampinono, nitrotro, nibaby, nanome sakafo […]
TARATRY ny KANTO
Hanohy ny seho any Allemagne ry Ralah Trio. Tafahoana indray any Frantsa, ary nandray anjara tamin’ilay hetsika “Festival Tsika Jiaby” ry Ralah Trio. Fantatra fa hitodi-doha ho any Allemagne ry Tsanta (marovany, gitara, trompetra ary vata maroafitsoka), Ranto (gitara beso) ary Titan (amponga maroanaka), ka hiaka-tsehatra any Mainz ny alarobia […]
“Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano” : tanjona ny fanandratana ny fihavanana sy ny firaisankina
Hikolo ny sain’ny olona hifarimbona ho an’ny tombontsoan’ny daholobe, amin’ny alalan’ny zavakanto no antom-pisian’ny hetsika. Fifarimbonana ao anaty firaisankina sy fihavanana, izay anisan’ny nampiavaka ny Malagasy nefa takona ankehitriny. Tanterahina ny 8 sy 9 jona 2024, eny amin’iny faritra Besarety iny, ny “Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano”, andiany fahadimy. Hetsika ara-javakanto […]