Ny zavakanto tsara indrindra avy any aminy no natolotr’i Tovo J’Hay ho an’ny mpijery tonga maro tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, omaly tolakandro. « Samy tia », seho nahitana fa tsy mifankafoy ny roa tonta. Tahaka ny tantara narindra rahateo no nandaharana ny hira sy ny nanoloran’i Tovo J’Hay azy […]
kolon-tsaina
Jazz@Tohatohabato: « Tratra ny tanjona, hatsaraina ny ho avy »
Tao anatin’ny herinandro. Nifantoka tanteraka tamin’ny fampisehoana an-tsehatra ny fandaharam-potoanan’ny Jazz@Tohatohabato. Nifarana omaly izany. Namintina izany i Andry Mika, avy ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ. Ilay fampisehoana an-tsehatra lehibe teo Analakely manandrify ny tohatohabaton’Antaninarenina no nanakatonana ny hetsika Jazz@ Tohatohabato andiany faha-14, omaly. Tsikaritra fa ao anatin’ireo mpijery tonga maro […]
TARATRY ny KANTO
Anio ny « Manala azy tanora zokiny ». Manome fotoana ireo mpanaraka azy hatramin’izay ny Olombelo Ricky sy ny tariny, etsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ora vitsivitsy hiverenena an-kira ireo vanim-potoana nanamarika fiainana maro izany, ho an’ireo eny an-tsehatra, fa indrindra ho an’ireo mpankafy. Toy ny isan-taona, […]
Finoana – Kolontsaina – Tantara…: Manana ny lanjany ny FJKM Ambohimamory
Ambohimamory, vohitra iray tsy afa-misaraka amin’ny tantara nisy teto Imerina. Niara-dalana tamin’izany ihany koa ny fiorenan’ny fiangonana FJKM Ambohimamory Malala Orimbato tany amin’ny taona 1869. Tantara roa lehibe mifanindran-dalana hatrany ka mahatonga ny taranak’ity fiangonana ity haneho fa manana ny lanjany eo amin’ny tontolon’ny finoana, kolontsaina, zavakanto, sns, io fiangonana […]
Lapa Manjakamiadana: Misy fampirantiana vaovao
Mitombo ireo azo tsidihina ao anatin’ny Lapa Manjakamiadana. Nampahafantatra ny sampandraharaha misahana an’Anatirova fa azo tsidihina ao amin’ny rihana faharoa. Ahitana ny medaly sy ny samboady, ny mariky ny fahefana sy ny fiandrianam-panjakana, ny medaly nandritra ny vanim-potoa ka faha-mpanjaka nifanesy, ny tombokase ampiasaina amin’ny lafiny fitantanana sy fifandraisana ara-diplomatika, […]





