«Loko iray». Ity ilay fampisehoana anisan’ny andrasan’ny maro amin’ity faran’ny herinandro ity. Ny alahady 8 jona, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina no hifandimby an-tsehatra ry Njara Marcel, Johanne, Nate Tex, Aya ary i Nampoina. Hisy fampiaraham-peo maromaro, araka izany, homanin’ireto mpanakanto ireto, hanehoana ilay lohahevitra. Fankalazana ny fiverenan’ny […]
kolon-tsaina
FJKM Amparibe Famonjena : Vahinin’ny RFF ny Anjomaran’ny fitiavana Toamasina
Toy ny fanaony isan-taona, rehefa volana jona tahaka izao, manatanteraka ny vavaka ho an’ny tanindrazana sy ireo mpanala fanadinana ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF) eo anivon’ny FJKM Amparibe Famonjena. Tontosaina ao anatin’ny teny filamatra: “Zanahary ô! Tahio ny tanindrazanay”. Fiarahan’ny vavaka sy ny zavakanto, hotanterahina ao an-toerana, ny alarobia […]
« Festival Sabôtsibe » : Hanasongadinana ny omby
Manana ny hetsika ara-kolontsaina mampiavaka azy koa i Mandritsara. Hiditra amin’ny andiany faha-3 ny « Festival Sabôtsibe », izay hotontosaina ny 13 hatramin’ny 15 jona ho avy izao. Nalaina tamin’ny anaran’ny tsenan’omby Sabôtsibe isaky ny tapa-bolana ao Mandritsara ny anaran’ny hetsika, satria hanasongadinana ny omby gasy no tena tanjona amin’izany. […]
« Tapôlakaglady » : Rossy ranoiray no tadiavin’ny mpankafy
Manakaiky ilay fotoana hiverenan’ny « Tapôlakaglady ». Hiova tsy toy ny taloha ny hetsika, satria ny tarika Rossy ihany no hanafana ny fotoana, araka ny nambarany, omaly. «Rehefa natao ny fakan-kevitra tamin’ireo mpankafy marobe, Rossy ranoiray no tena be mpitady. Raha toa ka fampisehoana nandritra ny iray volana, niantsoana tarika […]
Mandroso mihemotra
Tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Mivoaka miditra toa lelon-jaza izay manao fanambarana. Mbetika fotsy, mbetika mainty. Mbetika izaho, mbetika tsy izaho. Mivadibadika toa lela may ireto mpanao politika. Sanatrian-dresaka manao sain-jaza tsy ampy fahamatorana. Mandroso mihemotra amin’ny zotra tiany harahina. Tsy hay ny kajikajy […]




