Mitohy tsy tapaka ireo hetsika ho fampiroboroboana ny bagasy tanterahin’ny Sehatra Bagasy (SBG). Taorian’ny gitara sy valiha. Hiroso amin’ny anjarany indray ny fomba fitendrena piano bagasy. Tendry piano bagasy, hotanterahina ao amin’ny Espace Aro Antsahavola, rahampitso 14 jona, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hitondra ny velakevitra, hamaly ny […]
kolon-tsaina
“Fetin’ny Mozika ” – Antananarivo: Hosokafan’ny Mozikara hatrany Andohatapenaka
Hiverina ny hetsika anisan’ny goavana indrindra fikarakaran’ny AFT. Hosokafan’ny Mozikara hatrany izany, mialoha ny seho goavambe hataon-dry Agrad sy Ceasar. Taona vitsivitsy izay no tsy nandray ny “Fetin’ny Mozika” fikarakaran’ny Alliance Française ny teto Antananarivo. Nivoaka kely ny Renivohitra hatrany ny fanamarihana teo aloha. Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ ny foiben’ny […]
zavakanto sy Kolontsaina : Tsy miraika loatra amin’ny fianarana ny Malagasy
Voajanahary ny talenta. Samy manana azy io avokoa ny olombelona rehetra, raha ny nambaran’ ireo mpahay momba ny zavapanahy. Mety hitondra irery any amin’ny fivelarana ve izy io ? Manao ahoana ny fianarana manoloana ny talenta ? Mila fantarina sy kolokoloina ny fananana talenta raha te ahita fivoarana sy fivelarana […]
« Carte blanche » : Fampirantiana kanto malala-dohahevitra
Mpanakanto 10, karazan-kanto 10. Nosafidian’ny fikambanana Artistes Malgaches hitondra ny kanto marolafy mandritra ny fampirantiana « Carte blanche », hotontosaina eny amin’ny Maison sociale des arts Ambatovinaky izy ireo, ny 14 hatramin’ny 28 jona ho avy izao. Sandrine Andria (mpikirakira lamba), Ampelagie (mpaka sary), Mendrika Ratsima (mpanakanto marolafy), Beool Natsangananahary (mpanao hosodoko), […]
TARATRY ny KANTO
Hiverina indray ny hiragasy goavambe, ao amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha. Hifanandrina, ny alahady 15 jona ho avy izao, ry Randrianasolo Betsileo Zanany sy Ramaroson Amparimanga. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ka mandra-paharivan’ny andro toy ny mahazatra izany. Hivoaka ny zoma 13 jona izao ny « Raolombelona ». Fampiaraham-peon’i Tongue Nat sy Mashmanjaka […]




