kolon-tsaina

Alatsinain’ny pantekoty : nahasarika mpankafy maro ny «Tsinjaka be» tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe

Tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara ny fampisehoana « Tsinjaka be » tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe, omaly, tonga marobe ireo mpankafy. Hetsika nokarakarain’ny Global Action. «Tsy nahasakana ny seho loatra ny fampielezan-kevitra ara-politika sy ny seho maimaimpoana teto an-drenivohitra satria namaly ny antso avokoa ny mponin’Antana­narivo», hoy ny mpitantana eo […]

Asa soratra sy hosodoko: nizara ny fahaiza-manaony Ralantoaritsimba Nirina

Tontosa omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Anta­na­narivo (AFT) Andava­mamba, ny hetsika niarahana tamin-dRalantoaritsimba Nirina, Malagasy manana ila frantsay, mpanoratra sady mpanao hosodoko. Atrikasa mahaka­sika ny hosodoko sy ny fanoratana no nandravahana izany. Nandritra ny hetsika no nizarany ny traikefany eo amin’ny maha mpanoratra sy mpiangaly hosodoko azy. Ankoatra izay, tanjona […]

Fetin’ny Reny : omena « Fehezan-kalo » i Neny

Hafa tsy tahaka ny nahazatra! Sady fanomezan-danja ny kolontsaina malagasy no fanomezan-kasina ny Reny. Hotoloran’ny Foibe fikarohana sy fampiofanana momba ny mozika « Valiha Académie » fehezan-kalo ny Reny rehetra. Tendren’izy ireo amin’ny valiha ka alefany ao anaty facebook izany. Avy amin’ny famelomana sy famerenana ary fampahatsiahivana (Cover) ny sanganasan’ireo andrarezin’ny hira […]

TARATRY ny KANTO

La Teinturerie – Mafonja sy i Silo. Fampia­rahana talenta naharitra tokoa ny azy roa lahy. Be mpankafy ary manan-kozaraina hatrany ireto mpanakanto ireto. Manome fotoana « ao an-tokotaniny », etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ry zalahy, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Toa ny mahazatra, hikisaka eny amin’ny Le Garage Antsahavola izy […]